Brezila: Ny tontolon'ny fitorahana blaogy mankasitraka ny tolo-dalàna iadiana amin'ny kolikoly

Amin'ny fotoana izay amoahana ity lahatsoratra ity, dia efa maherin'ny 1,735,000 ireo olona efa nanao sonia ny fanangonan-tsonia ho fanohanana ny volavolan-dalàna Ficha Limpa ( Tsisy fitànana an-tsoratra heloka bevava), izay mikendry ny hanàkana ireo mpanao politika nahavita heloka bevava, toy ny fanodikodinana volam-bahoaka, vono olona sy fanelezana zava-mahadomelina, mba tsy hahazo milatsaka ho fidiana.

Mety ho sarotra amin'ireo mpamaky maneran-tany ny hahatakatra ny filàna lalàna iray handrindra  ny zavatra toy itony, saingy aty Brezila, dia misy maro amin'ireo mpanao politika mpitàna birao no manana fitànana an-tsoratra mikasika heloka bevava. Ohatra, i  Paulo Maluf Solombavambahoaka ao amin'ny Kongresy , izay tsy ela akory no nahitàna ny anarany anatin'ny lisitr'ireo olona tadiavin'ny  Interpol, noho ny resaka fiokoana sy fihinanana volam-bahoaka. (Malufar dia fomba fiteny iray noforonin'ny Breziliana, matoanteny manondro ny  “fangalarana volam-bahoaka”.)

Ny tanjon'ny fanentanana, izay voizin'ny Avaaz.org tao anatin'ny herinandro maromaro, dia ny hahazoana sonia  2 tapitrisa alohan'ny andron'ny Alarobia 7 Aprily, andro izay hanapahana momba ilay volavolan-dalàna ao amin'ny Antenimieran'ny Solombavambahoaka. Raha lany ao amin'ny Antenimiera, ilay volavolan-dalàna dia halefa any amin'ny Loholona.

Miaraka amin'ny teny faneva “Tsy misanda ny safidy, fa misy fiantraikany”, nalefa tamin'ny Aprily 2008 ny fanentanana momba ny Ficha Limpa nataon'ny Movimento de Combate à Corrupção Eleitoral [ Hetsika manohitra ny kolikoly amin'ny fifidianana, pt] izay  ny tanjona dia ny hanatsara ny mombamomba ireo mpirotsaka hofidiana eo amin'ny firenena:

Para isso, foi elaborado um Projeto de Lei de iniciativa popular sobre a vida pregressa dos candidatos que pretende tornar mais rígidos os critérios de inelegibilidades, ou seja, de quem não pode se candidatar.
Pessoas condenadas em primeira ou única instância ou por meio de denúncia recebida em tribunal – no caso de políticos com foro privilegiado – em virtude de crimes graves como: racismo, homicídio, estupro, tráfico de drogas e desvio de verbas públicas. Essas pessoas devem ser preventivamente afastadas das eleições ate que resolvam seus problemas com a Justiça Criminal;

Ho fanatanterahana izany, nanomana volavolan-dalàna niainga avy amin'ny vahoaka izahay momba ny fahinin'ireo mpirotsaka hofidiana mba hanenjanana kokoa ny mason-tsivana ahafahana mirotsaka, izany hoe, ho an'ireo olona tsy afaka hihazakazaka hofidiana:
Ireo olona voampanga amin'ny Ambaratonga voalohany na naharaisana fitoriana eny amin'ny fitsarana ( toy ireo mpanao politika manana sata manokana) noho ny heloka goavana toy ny fanavakavahana, vono olona, fanolanana, fanelezana zava-mahadomelina sy fihinanana volam-bahoaka. Ny olona toy izany dia tokony hosakanana aloha tsy hirotsaka amin'ny fifidianana mandra-pandaminy ny olan-dry zareo eny anatrehan'ny fitsarana heloka bevava.
Brazil needs you - fulfil your own duty.Iray amin'ireo banners maro nanjary nalaza teo anivon'ny tontolon'ny fitorahana blaogy

Ankoatry ny sonia  1.6 tapitrisa voaangona teny anivon'ny olon-drehetra teny nataon'ireo mafana fo sy ny vondrom-piangonana, dia nahazo ny fon'ny teo anivon'ny tontolon'ny fitorahana blaogy koa ilay vinavina, izay mifaningotra amin'ilay volavolan-dalàna. Tamin'ny Oktobra ny taona lasa iny, Arthurius Maximus [pt] dia namoaka itsy banner etsy ambony, miantso ny mpamaky mba handray anjara amin'ilay fanentanana sy hilazana fa fotoana izao tokony hanadinoan'izy ireo fahasamihafan'ny foto-kevitra ideolojikany ka hanerena ny MP (solombavambahoaka Mambran'ny Parlemanta) hanaiky ilay volavolan-dalàna:

Esqueça […] as ofensas costumeiras do embate ideológico. Esqueça a Copa do Mundo, as Olimpíadas ou o BBB. Esqueça que seu time pode ser campeão ou ser rebaixado. Esqueça que seu professor é um chato ou que seu aluno não quer nada com estudo. Esqueça que seu chefe não te valoriza ou o empregado preguiçoso. Esqueça tudo… menos das vezes em que você se sentiu humilhado e traído ao ver um homicida, um traficante ou um corrupto notório e condenado em diversos processos (mas ainda “inocente até que se prove ao contrário”, em processos que se arrastam por décadas, levados por advogados espertalhões e pagos com o seu dinheiro suado, devidamente roubado dos cofres públicos).

Chegou a hora do “bom combate”. Chegou a hora de esquecer as diferenças ideológicas e de primar por uma nova era na política nacional. […]
Como é de se esperar (no Congresso Nacional, mais de um terço dos congressistas ficariam inelegíveis imediatamente caso o projeto fosse aprovado), os políticos se articulam para barrar, modificar ou tornar inócuo o projeto.

Adinoy […] ireo fandranitana mahazatra rehefa misy adihevitra ideolojika. Adinoy ny Fiadiana izay ho tompon-daka eran-tany, ny Lalao Olaimpika na ny Big Brother Breziliana. Adinoy ny hoe ny tarika mpilalao baolina kitranao no mety ho tompondaka na mety hitsontsorika. Adiony ny hoe manirikiry ny mpampianatra anao na tsy misy manome lanja ny fianarana ny mpianatrao. Adinoy ny hoe tsy manisy vidiny anao ny lehibenao na kamo velona ireo mpiasanao. Adinoy ny zavatra rehetra … afa-tsy ireo fotoana nahatsiarovanao fa afa-baraka sy voafitaka ianao noho ny fahitàna mpamono olona iray, na mpivarottra zava-mahadomelina  ikoizana iray na olona iray mpandray tsolotra fanta-daza, olona voaheloka amina raharaham-pitsarana maro (saingy mbola “tsy manan-tsiny mandra-pisian'ny porofo mifanohitra amin'izany”, indraindray mitarazoka am-polotaona maro, arovan'ny mpisolovava fangoloka ary karamaina amin'ny vola vokatry ny asa mafy nataonao, na nangalarina tsotra izao avy amin'ny volam-bahoaka). Fotoana izao hiadiana ny “ady tsara”. Fotoana hanadinoana ny tsy fitoviana ara-poto-kevitra sy hanandratana sehatra fanaovana politika vaovao eto amin'ny firenena. […] Araka izay mety ho efa noeritreretinao ( ao amin'ny Antenimeram-Pirenena, maherin'ny ampahatelon'ireo mpikambana ao amin'ny kongresy no tonga dia tsy ho azo fidiana avy hatrany raha toa ka lany ilay volavolan-dalàna), ireo mpanao politika dia miasa mba hanakanana, hanovàna na handemena ilay volavolan-dalàna.
Banner criado por Renato Hirata
Sonia iray ho fampiatoana ny kolikoly. Banner avy amin'i Renato Hirata

Pedro Hutsch Balboni [pt], izay tsy dia mpitoraka blaogy momba ny politika loatra, dia nanokatra manokana ny blaoginy mba ho fanapariahana ilay fanangonan-tsonia anaty aterineto nampiantranoin'ny Avaar, na dia tsy tena izy aza ny voka-pifidiana ao:

É lógico que essa votação não é aberta ao público, para nós ficam causas muito importantes como o desarmamento ou não, enquanto a escolha de “se queremos políticos corruptos ou não” é feita somente por deputados (vejam só, são políticos!). Mas há também, no meio dessa sujeirada, bons deputados, que realmente estão interessados no futuro do país, e que são contrários a corrupção na política.

Mazava loatra fa tsy ny olona rehetra no ho afaka hifidy ao anatin'ity, mbola be ny varimangatsiaka navelantsika toy ny olan'ny fitsapan-kevibahoaka ho fametraham-piadiana [2005], fa kosa ny fisafidianana hoe “mbola maniry hanao tsolotra amin'ireo mpanao politika ve isika sa tsia” dia ny solombavambahoaka ihany no mandany azy ( azonareo inoana ve, mpanao politika ireo!). Nefa, ao anivon'ity zava-maloto ity, mba misy ihany ireo mpanao politika mendrika, izay tena mijery marina ny hoavin'ity firenena ity, izay manohitra ny kolikoly eo amin'ny sehatra politika.

Tsy ny rehetra akory no mino ny hahalany ity volavolan-dalàna  Ficha Limpa ity. Fernandinho Brasileiro [pt] dia mihevitra fa ny volavolan-dalàna toy itony any amin'ny firenena tahaka an'i Brezila dia sahala amin'ny sangy rasty ihany no fijery azy:

O MCCE tenta em vão aprovar esse projeto de lei que esbarra na própria constituição não desperta o menor interesse por parte dos políticos. Afinal de contas, o deputado do Castelo,o deputado que está se lixando para a opinião pública,os mensaleiros,os sanguessugas,estão totalmente contrários a esta lei,pois serão diretamente atingidos por ela. A lei ficha limpa não olha o sistema político e econômico que impera no país.

Ny MCCE no very andro manandrana hampandany ity volavolan-dalàna ity izay mifanipaka ihany koa amin'ny lalampanorenana ary tsy maha-rototra na kely akory aza ireo mpanao politika. Izany eo ihany, Ingahy  “Solombavambahoaka ambony latabatra” [jereo ny tantara], ny solombavambahoaka tsy miraharaha izay hevitry ny vahoaka any, ireo mpandray tsolotra, ireo mpitsetsitra ny ràn'ny sasany, dia manohitra tanteraka io lalàna io, noho izy ireo mety ho voakasik'izy iio mivantana. Ny lalàna Ficha Limpa dia tsy mandray ho ao anatin'ny kajikajiny ny tontolo politika sy toekarena manjaka eto amin'ny firenena.

Manontany ny fomba mety ho azo atao mba hanjarian'ny tolo-dalàna tahaka izany ny mpitoraka bloagy maro hafa.  Ricardo RicBrSp [pt] dia milaza fa tsy ratsy ilay hevitra, saingy noho izy tsy mino ny handehanan'io,  fa mety hitondra any amin'ny korontana, dia aleony manentana ny hifidianana vatofotsy:

Se isto vier a acontecer o Brasil todo vai ficar sem rumo, sem chefia, sem poder executivo, pois ele só consegue operar nas condições atuais, movido a corrupção.

Raha hihatra io dia tsy hisy mpitantana intsony manerana an'i Brezila, tsy hisy mpitarika, tsy hisy fahefana mpanatanteraka, satria tsy afa-mihodina afa-tsy ao anatin'ny rafitra misy ankehitriny izy, atosiky ny kolikoly.

Trambo

Na eo aza ny tsy fananan'ny maro antoka, eto ankatoky  ny fifidiana hatao ao amin'ny Antenimieran'ny Solombavambahoaka, lasa trambo ilay tolo-dalàna, mitety ireo lisitry ny famoahana sy matetika mivoaka amin'ny  Twitter ka mitana lohalaharana amin'ireo lohahevitra momba an'i Brezila. Tweets maro be no nanapariaka ny fnangonan-tsonian'i  Avaaz petition, saingy navoitran'i  Tico Santa Cruz [pt] ireo fifanoherana hita ao anatin'ny lalàna Breziliana, izay tsy mamela ireo olona manana antontan-taratasy momba ny heloka bevava hisahana asam-bahoaka:

@Ticostacruz: Ñ pode fazer concurso Público qm Ñ tem Ficha LIMPA então a lógica é a mesma p qm quer ser Polítco http://bit.ly/b2SVXu – ASSINE! Já assinei

@Ticostacruz: Ireo manana fitanana an-tsoratra mikasika heloka bevava dia tsy afa-mifaninana hiditra ho mpiasam-panjakana, noho izany dia sahala amin'izany koa ho an'ireo mpanao politika http://bit.ly/b2SVXu – Asio sonia! Izaho efa nanao!

Maro, na izany aza, no tsy manana fanantenana ny amin'izay mety hanasoniavana io volavolan-dalàna hanjary ho lalàna. @jrkbza dia iray amin'izy ireny [pt]:

@jrkbza: será que estão acreditando que essa Lei Ficha Limpa será aprovada pelos deputados? eu espero que sim, mas sei que não.

@jrkbza: dia tena mino tokoa ve ry zareo fa ity tolo-dalàna Ficha Limpa ity dia hoeken'ireo solombavambahoaka? Enga anie, nef tsy dia mino ny hisian'izany loatra aho.

Ary na dia ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta aza dia tsy matoky. Ny solombavambahoaka Chico Alencar [pt], izay mankasitraka ilay volavola, dia manaitra ny sain'ny vahoaka:

@depchicoalencar: ‘Ficha limpa’ esta semana na Câmara. Fiquem atento(a)s: vão tentar “aprimorar”(= tornar inócuo) o PL, ou adiar a votação…

@depchicoalencar: ‘Ficha limpa’ amin'ity herinandro ity ao amin'ny Parlemanta. Tandremo: Handraman-dry zareo  “hatsaraina” ilay tolo-dalàna (= atao tsy misy fiantraikany) na ahemotra ny fifidianana…

Na izany aza, ny fahazoana fanohanana avy amin'ny lafiny roa, dia ny antoko politika avy amin'ny elatra havia sy havanana, dia manome fanantenana ho an'ny olona maro ihany, toa an-dry Adriana Cristina [pt], izay mino fa afaka manova ny firenena amin'ny alalan'ny safidiny ny vahoaka:

@adryanacristina: Vamos pressionar os deputados conseguindo 2 milhões d assinaturas p mostrar que se eles não votarem pela “Ficha Limpa” não votaremos neles!

@adryanacristina: Ndeha hotambazantsika ireo solombavambahoaka amin'ny alalan'ny fanangonana sonia 2 tapitrisa hanehoana amin'izy ireo fa raha tsy mandany ny  “Ficha Limpa” ry zareo dia tsy hifidy azy ireo koa isika!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.