- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: WAT.TV, fahatelo amin'ny tranonkala fifampizaràna video voasakana!

Sokajy: Fahalalahàna miteny, Politika, Teknolojia, GV Mpisolovava

Andro vitsy lasa izay, nosakanan'ny fanjakana Toniziana ny fidirana ho ao amin'ny  WAT.TV [1], tambajotran-tserasera sosialy iray sady tranonkala fifampizaràna media, izay heverina ho ny  laharana faha-3 amin'ireo mpandefa video amin'ny aterineto ao Frantsa [2].

Io ihany koa no fahatelo amin'ny tranonkala fizaràna video voasakana teto amin'ny Firenena. Voalohany indrindra dia nosakanan-dry zareo ny Dailymotion [3] tamin'ny 3  Septambra 2007, avy eo indray dia anjaran'ny Youtube [4] no voasakana teo anivon'ny aterineto teto amin'ny firenena, tamin'ny 2  Novambra 2007.

Saingy raha voasivana ny  Youtube sy Dailymotion noho ny video  maniratsira ny Filoha Ben Ali [5] ary maneho ny fanitsakitsahana ny zo maha-olona eto amin'ny firenena [6], WAT.TV kosa nosakanana noho ny fandefasana ny asan'ny [7] Hetsika Ettajdid [8] avy amin'ny mpanohitra (ara-dalàna, antoko kaomionista taloha).  Mazava loatra, ny Hetsika Ettajdid dia nisafidy ny Aterineto nandritra sy taorian'ny fifidiana izay ho filoham-pirenena sy mpikambana ao amin'ny antenimiera tamin'ny 2009, [9] izay ny filohany, Ahmed Brahim [10], dia nirotsaka hofidiana ho filohan'i Tonizia (nahazo 1.57%, araka ny fanambaràn'ny ministeran'ny atitany). Ny fantson'i Ahmed Brahim [11] ao amin'ny WAT.TV dia misy video ampolony mahery avy amin'ny fampielezan-keviny sy ireo mpanohana azy.

wat-TV-tuisia.jpg [11]