Ao anatin'ny fampihomehezana mahazatra azy no anoloran'i Sead Dzigal ny lisitry ny [MKD] fitoviana misy eo amin'ny Facebook sy ny Antoko Komonista tao Yogoslavia (CPY):
- Facebook – tambajotran-tsosialy
CPY – tambajotran-tsosialista- Tsinontsinona rehefa tsy mpikambana Facebook
Tsinontsinona rehefa tsy mpikambana CPY- Namanao daholo ny ao amin'ny Facebook na tsy fantatrao aza ny antsasak'izy ireo.
Kamaradinao* daholo ny ao amin'ny CPY na tsyfantatrao aza ny antsasak'izy ireo.- Ao amin'ny Facebook ianao manohana zavatra atao isan-karazany tsy manao na inona na inona.
Ao amin'ny CPY ianao mpikambana amina komity, vaomiera, fitarihana isan-karazany tsy manao na inona na inona.- Ao amin'ny Facebook ianao mahita FarmVille [tanànam-piompiana sy fambolena],
Ao amin'ny CPY ianao mahita zadrugas [endrika kolkhoz=koperativam-piompiana sy fambolena] sy fanavaozana ny fizakan-tany.- Ao amin'ny Facebook ianao mahita hoe “Like,” [tiako]
ao amin'ny CPY ianao mahita hoe “Ho ela velona kamarady…!!!”- Facebook – matetika mitsikilo ny fiainanao manokana,
CPY – matetika mitsikilo ny fiainanao manokana.
.aNTI namaly tamin'ny alalan'ny fampiasana [MKD] ny fehezanteny fampiasan'i Vaclav Havel matetika:
Feno fomba fijery fanaratsiana ny komonista io lahatsoratra io. Ny hany ratsy kokoa noho ny komonista dia ny anti-komonista.
Mitovy hevitra amin'izany i Recenzent, ary niezaka ny nanaporofo ny hitsin-dalana diso ataon'ny anti-komonista amin'izao fotoana satria efa be ny zavatra niova, hoy ny fanamarihany hoe [MKD]:
- Heverina fa ny antoko politika no mpamelona ny fampahalalam-baovao. Ankehitriny metyho mpanohana izy ireo na mety ho mpanohitra, saingy ny antoko politika ihany no mpamelona azy ireny.
- Mora mahazo asa kokoa ianao raha mikambana amin'ny antoko politika. Fa tsy jerena izany hoe antoko CPY ve sa SDSM sa VMRO-DPMNE.
Nomarihany ihany koa fa ny “fanohanana” malaindaina amin'ny hetsika isan-karazany dia mpanjo ny antoko politika ankehitriny ihany koa, tahaka ny mpiady hevitra mpampiasa ny “théories du complot” [petra-kevitry ny fiokoana].
* Mitovy ny dikan'ny namana syny kamarady amin'ny fiteny Slavy tatsimo tahaka ny Masedoniana, Serba, Croaty, Bosniaka…