- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Costa Rica: Fanadihadiana ny fifandraisan'ny Fiangonana sy ny fanjakana

Sokajy: Amerika Latina, Costa Rica, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Politika
Photo by Radio Rover and used under a CC license. [1]

Saripikan'ny Radio Rover ary ambanin'ny fanomezan-dalana CC.

Milamindamin-dratsy ao anatin'ny rivon-drivodoza ny EKAR tao anatin'ny tapa-bolana noho ny fiampangana fametavetana zaza tsy ampy taona ataon'ny pretra avy ao amin'ny fiangonany manerana ny tany. Misongadina mihitsy ity raharaha ity any Costa Rica noho ny maha-firenena miankina amin'ny fivavahana azy [2], satria fivavaham-panjakana ny Katolisisma ao ary miteraka fifandraisana akaiky eo amin'ny Fiangonana [Eglizy] izany. Mahatsiaro ho tafiditra lalina amin'ity lohahevitra ity ny mpamaham-bolongana KostaRikana, ary dia feno azy ny aterineto raha tsy atoro intsony fa maro an'isa any amin'ity firenena ity ny Katolika Romana.

Lauren Latifa, ao amin'ny bolongany Club Sodoma [es] [3] no manoratra:

Estoy sorprendida en cómo una noticia de este nivel como el de las olas de pedofilia dentro de la iglesia católica, puede llegar a pasar como algo leve y sin mayor discusión. ¿Pero los jerarcas católicos reconocen que se dan grandes errores dentro de la iglesia? Obviamente no lo reconocen, solo pretenden en muchas circunstancias silenciar estas acusaciones indemnizando a las víctimas, hasta trasladan a esos sacerdotes abusadores de iglesia en iglesia y siguen abusando de los niños, todo para no debilitar el poder “de la iglesia”.

Talanjona aho amin'ny fampiheverana ho tsy dia misy dikany loatra sy tsy mila resahina ny fisongan'ny fametavetana zaza tsy ampy taona ao anatin'ny fiangonana Katolika. Saingy hanaiky ve ny mpitarika ny Katolika fa be ny fahadisoana ao anatin'ny fiangonana? Miharihary fa tsy hanaiky izany velively ireo. Maro ny raharaha iezahan'izy ireo nampanginana tamin'ny alalan'ny fanonerana ireo izay niharany, ary afindrafindran'izy ireo fiangonana hatrany ireo mpitondra fivavahana manao ny tsy mety nefa manohy ny fanararaotana ataony, izany no natao mba hosorohana ny fandemena ny herin'ny “fiangonana.”

Nanoratra ny mpamaham-bolongan'ny “Cultura, Cultura Política y Económica [es] [4]” mijery ny fielezan'ny fahadisoam-panantenana:

Los abusos sexuales a menores son de los actos delictivos más abominables que un adulto puede cometer. Y si estos delitos son cometidos por religiosos, de los que se espera un plus de honestidad, la decepción y el escándalo aún son superiores a los ojos de la sociedad.

Ny fanararaotana ara-pananahana ny zaza no fahotana maharikoriko indrindra vitan'olondehibe. Ary raha relijiozy, izay nantenaina hanana fahatsoram-po indrindra no mahavita izany heloka izany; dia hiteraka horaka sy fahakiviana kokoa eo imason'ny fiaraha-monina.

Iray amin'ny fahadisoam-panantenana mitranga moa ny tsy fanasaziana ny mpitondra fivavahana, araka izay lazain'ny [5] mpamaham-bolongana H3Dicho :

Un cura que sea sospechoso de pedofilia debe ser removido inmediatamente de su cargo mientras se le investiga, y debe ponerse a la orden de las autoridades. El problema es que la iglesia siempre ha preferido mantener “investigaciones internas”, y para no poner mal el nombre de la “iglesia” no lo hacen público, por lo que sus delitos sexuales quedan impunes.

Tokony esorina amin'ny toerany avy hatrany ny mpitondra fivavahana ampangaina amin'ny fanolanana zaza tsy ampy taona rehefa hadihadiana izy, ary tokony ho vonona hiatrika ny manam-pahefana. Ny olana manko dia aleon'ny fiangonana manao ilay “fanadihadiana anatiny” ihany mba tsy hanalana baraka ny anaran'ny “fiangonana” , tsy aseho ny besinimaro izany, mba tsy hanasaziana ny heloka ara-pananahana vitan'izy ireny.

Cristian Cambronero, mpanoratra ny bolongana Fusil de Chispas [es] [6] no milaza fa ahitana ny karazany rehetra ny heloka toy izao ao Costa Rica:

En Costa Rica no solo se han presentado este tipo de abusos, hay un cura condenado a prisión [7] y supimos de un obispo que encubrió a un sacerdote prófugo de la justicia, acusado de violación [8]. ¿Y el Obispo? Ahí sigue [9], en la Conferencia Episcopal, levantando el dedo acusador cada vez que puede,enfiestándose con estafadores [10], y dándole instrucciones a los diputados blandengues [11] de cómo gobernar según “la moral y las buenas costumbres”.

Eto Costa Rica tsy vitan'ny hoe misy ny mahavita fihoaram-pefy tahaka izao,fa misy pretra iray voaheloka ho any am-ponja [7] dia hitanay fa misy  eveka manafina pretra iray nandositra fa nampagaina ho nanao an-keriny [8]. Ahoana moa ny amin'ilay Eveka? Izy no izy [9], ao amin'ny Fivondronamben'ny eveka,tia manondrotondro raha mbola azony atao koa izany, mifangaroharo amin'ny mpisoloky [10], ary manome toromarika ny depiote kanosa [11] aminn'y fomba fitondrana mifanaraka amin'ny “maoraly sy ny fomba tsara“.

Na dia mihamalaza ratsy aza ny Fiangonana Katolika manerana ny firenena, dia mbola nanatona ny antanantohatr'ity fiangonana ity ihany ny filoha voafidy handray ny fahefana amin'ny 8 May, mba hanamafy orina kokoa ny fifamatorana misy ao amin'ny Fanjakana sy ny Fiangonana. Niteraka tsy fahafaliana tamin'ny olona maro izany.  Nitaraina momba izany i [12] Cambronero raha niteny hoe :

No pocos dijeron que fuimos exagerados el primer día de este mes cuando dijimos [13] que Laura Chinchilla se estaba casando con los Obispos, tras una reunión de la surgió “una comisión” para coordinar “un mecanismo permanente de relación entre el próximo Gobierno y la Iglesia Católica”, según reseñó [14] La Nación (…) Hoy el mismo periódico nos cuenta [15] que los Obispos que apadrinaron a Chinchilla durante la campaña presidencial, incluso violentando la disposición constitucional, ahora impulsan un Corcordato [16]: un acuerdo bilateral entre El Vaticano y el Estado, que otorga a la Iglesia Católica una serie de privilegios de los que no gozan otras iglesias.

Maro no niteny fa nihoampampana ny filazanay tamin'ny voalohan'ny volana hoe [13] nanambady ny eveka i Laura Chinchilla rehefa avy nivory ka nisongadina ny fananganana “komity” mandrindra “ny fifandraisana maharitra misy eo amin'ny fitondrana sy ny Fiangonana Katolika”, araka izay navoitran'ny La Nación [es] [14] (…) Androany dia mbola niteny tamintsika [15] io gazety io fa notohanan'ny eveka ara-bola i Chinchilla nandritra ny fampielazan-kevitra, Izao indray dia manangana ny Corcordato [16] ry zareo: fifanarahana roa tonta eo amin'i Vatican sy ny Fanjakana, izay manome tombondahiny maro ho an'ny Fiangonana Katolika izay tsy zakain'ny fiangonana hafa.

Nanambara ny mpanoratra ny bolongana ASOJOD [es] [17] fa kivy tanteraka amin'ny toe-draharaha :

En ASOJOD hemos repudiado, desde nuestros inicios, el contubernio entre la Iglesia (s) y el Estado, pues presupone una imposición sobre la libertad individual y, como en el caso de Costa Rica, otorga gollerías a una agrupación a costa de los costarricenses. Hoy día, nuestro dinero se usa para financiar a la Iglesia Católica, que mediante las Temporalidades de la Iglesia, cuenta con partidas del Presupuesto de la República bastante altas. Además, la Iglesia sigue determinando la orientación de algunas políticas públicas, específicamente las relacionadas con la educación sexual y la salud sexual-reproductiva, de forma tal que, mediante su influencia espiritual y política, pisotea la libertad de los individuos para decidir la forma en que desean vivir.

Efa naloanay ato amin'ny ASOJOD hatramin'ny fiandohany mihitsy ny tsikombakomba misy eo amin'ny Fiangonana sy ny Fanjakana, satria miantraika any amin'ny fahafahan'ny tsirairay izany ary raha ny eto Costa Rica dia manome vahana vondrona iray andanian'ny KostaRikana vola. Ankehitriny ny Fiangonana Katolika no mampiasa ny volantsika, fa noho ny asa andavanandron'ny Fiangonana, dia midangana tokoa ny fandaniana ataony tafiditra ao anatin'ny tetibolan'ny Repoblika. Ankoatra izay dia mbola ny fiangonana ihany koa no manondro sasantsasany amin'ny politikam-panjakana, indrindra moa fa ireo izay mifandraika amin'ny fitaizana ara-pananahana sy ny fahasalamana ara-pananahana, ka, noho ny fahefana ananany ara-politika sy ara-pivavahana dia hosihoseny tanteraka ny fahafahan'ny tsirairay amin'izay fanirian'ny tsirairay hitondrany ny fiainany.