- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Greenpeace vs. Nestle – manodidina ny fahalalàhana maneho hevitra

Sokajy: Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, GV Mpisolovava

Tapa-bolana izao no nahamarihana fa niakatrakatra ny adihevitra manodidina ny fanentanana ataon'ny Greenpeace tato ho ato mikendry manokana ny Nestle noho ny fampiasan'izy ireo ny menaka voanio izay mitarika fahasimbana goavana ho an'ny tontolo iainana. Ny fanentanana dia nanomboka tamina video viral iray [1] (horonantsary miresaka otrikaretina) nampakarina tao amin'ny  YouTube ary nampiantsanoina tao amin'ny foiben'ny tranonkalan'ny fikambanana mampiseho mpiasa iray mihinana KitKat ‘saignant’ entina ilazana ny fiantefan'ny marika amin'ny orangutans .

Hitsahatra kely ve? [1] avy amin'ny  Greenpeace UK [2] ao amin'ny  Vimeo [3].
Ho setrin'io fanakianana io dia nahazo rariny ny Nestle nangataka ny hanesorana ilay video tao amin'ny YouTube [4]. Valin-kafatra izay sady ho an'ny  ‘original viral’ no ho an'ny marika izay nifindra any amin'ny  Vondrona Facebook-n'ny Nestle [5], ary ao dia apetrak'ireo mpitantana [admins] mazava tsara fa izay rehetra fanehoan-kevitra miiba (manaratsy) dia hofafàna ary nampahatsiahivina ny mpankafy [fans] rehetra fa tsy ara-dalàna ny fampiasana ny sary famantarana nasiam-panavaozan'ny orinasa na toy inona na toy inona. Notaterina ihany koa fa nisy bolongana mailaka nalefa tany amin'ny fikambanana.

Amin'ny ankapobeny ilay olana dia niteraka fanakianana maro [6] momba ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny ankapobeny, nefa koa ho an'ny Nestle amin'ny maha-fikambanana azy, ahitàna fanamarihana avy amin'ny manampahaizana momba ny media ara-tsosialy izay manolo-kevitra ny amin'ny asa tsara mifanandrify tokony hotanterahana – ny sasany any amin'ireo media mahazatra, ny sasany any amin'ny  Vondrona Facebook-n'ny Nestle [5].

Facebook_Nestle [5]

Mandritra izany rehetra izany, ny Greenpeace dia nanjary ho tranga fitaratra [7] ny amin'izay fomba hitondrana fanentanana mahomby eo anivon'ny aterineto, amin'ny fampiasana fitaovana tsy dia andaniam-bola be loatra, amin'ny fotoana eo noho eo sy saina mikarokaroka.

NESTLE KERFUFFLE [7] ao amin'ny Prezi [8]

Nanampy an'izay  ny fanentanana iray hafa tamin'ny aterineto nataon-dry zareo tamin'ny Zoma lasa teo , AirPlot [9] izay nahitàna fahombiazana  – naaton'ny [10] fitsarana UK  ny drafitra ho fanavaozana ny Seranam-piaramanidina ao  Heathrow Airport.