Dikasary iray mitovy amin'ny fàfan'ny solosaina maneho ny resaky ny vondrona QQ mpanivana aterineto no nivezivezy tanaty Twitter. Izy ity dia manampy ny olona aty ivelany hahatsapa ny fomba fiasa misoko mangina ho fanivànana ny aterineto ao Sina.
Mpanivana – xiao dong (1111937) 13:49:33
Akory daholo, jereo ny vohikalanareo sao miaty vaovao miantso fanohanana an'i Google. Ampahafantaro ahy raha mahita ianareo.
Tiny V (45820192) 13:49:52
Tokony hofafanay avy hatrany ve izy ireny?
Mpanivana – xiao dong (1111937) 13:50:01
Izay indrindra.
Tiny V (45820192) 13:50:12
Okay.
Mpanivana – xiao dong (1111937) 13:52:13
Tsy misy vaovao avy amin'ny www.zol.com.cn ve?
kaixin001.com (972297252) 13:54:24
Tsy misy zavatra hita aloha ato amin'ny kaixin001.com
Mpanivana – xiao dong (1111937) 13:56:10
Kaixin, manana vondrona maro ao amin'ny google ny vohikalanareo, azonao arahana ve ny resaka ifanakalozan-dry zareo?
kaixin001.com (972297252) 13:56:40
O, okay
kaixin001.com (972297252) 13:56:46
Aleo fa harahantsika izay ao anatin'ireo vondrona….
TW Xu feng 14:02:40
Hametraka olona manokana hijery ireo lahatsoratra momba ny Google.
Mpanivana (4982888) 14:10:31
Androany dia voamarikay avy amin'ireo vohikala avy any ampitan-dranomasina fa misy olona mifandamina mba hitsidihana ny Google. Miangavy, mba jereo raha misy hetsika na fifandaminana toy izany ao amin'ny vohikalanareo. Tonga dia tatero raha vantany vao mahita vaovao ianareo