- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Mafana fo nosamborina noho ny famoronana vondrona Facebook

Sokajy: Ejipta, Hafanàm-po nomerika, GV Mpisolovava

Dr. Ashraf Wagdy [1], Ejiptiana iray mafana fo avy amin'ny elatra havia, dia nosamborina omaly [2] tamin'ny  7 ora hariva ora iraisam-pirenena. Nanangana vondrona Facebook iray izy [3] mba ho tosika ho an'i Mohamed ElBaradie [4] amin'ny hazakazaka ho amin'ny Fitondrana (Prezidansa).

Manao fitokonana tsy mihinan-kanina izy izao mba ho fanerena amin'ny hamotsorana azy,  hatramin'ny fanamparam-pahefana nataon'ny Polisy Ejiptiana nitondra azy manoloana ny fitsarana [5], mitazona azy tsy misy fanamelohana.

Vondrona  Facebook iray hafa [3] no niforona mitaky ny famotsorana azy. Teo aloha dia mpitsabo marary saina i Dr. Ashraf Wagdy, ary lehiben'ny tranomboky Books&Beans [6], foibe ara-tsaina lehibe iray ao amin'ny tanànan'i Mansoura [7], 120 Km avaratra andrefan'i  Cairo [8].