Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

29 Marsa 2010

Tantara tamin'ny 29 Marsa 2010

Singapore: Ady amin'ny fanamelohana ho faty

Maneho hevitra amin'ny fanamelohana ho faty nataon'ny Fitsaràna Avon'ny Singapore tamina tanora Malaiziana iray noho ny fanondranana zava-mahadomelina ireo mpitoraka blaogy any Singapore

Sina: Resaky ny samy mpanivana aterineto

GV Mpisolovava

Dikasary iray mitovy amin'ny fàfan'ny solosaina maneho ny resaky ny vondrona QQ mpanivana aterineto no nivezivezy tanaty Twitter. Izy ity dia manampy ny olona aty ivelany hahatsapa ny fomba fiasa misoko mangina ho fanivànana ny aterineto ao Sina. Mpanivana – xiao dong (1111937) 13:49:33 Akory daholo, jereo ny vohikalanareo sao...

Ejipta: Mafana fo nosamborina noho ny famoronana vondrona Facebook

GV Mpisolovava

Dr. Ashraf Wagdy, Ejiptiana iray mafana fo avy amin'ny elatra havia, dia nosamborina omaly tamin'ny  7 ora hariva ora iraisam-pirenena. Nanangana vondrona Facebook iray izy mba ho tosika ho an'i Mohamed ElBaradie amin'ny hazakazaka ho amin'ny Fitondrana (Prezidansa). Manao fitokonana tsy mihinan-kanina izy izao mba ho fanerena amin'ny hamotsorana azy, ...