- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vaovao fanampiny Madagasikara: Tafakatra 78 ny aina nafoy taorian'ny fandalovan'ny rivomahery Hubert

Sokajy: Madagasikara, Fahasalamàna, Tontolo_iainana, Voina
Nampitain'ny namana Tomavana fa niakatra be ny isan'ny aina nafoy araky ny tatitra farany nampitain'ny tompon'andraikitra [1], taorian'ny fandalovan'ny rivomahery Hubert tany Madagasikara, raha 36 izany tamin'ny herinandro lasa dia tafakatra 78 kosa ankehitriny ary mahatratra 145'000 ireo tra-boina. Ambarany koa fa nohon'ny tondra-drano tsy an-kijanona, dia manahy ny fiverenan’ny areti-mifindra “Kilalaka 2010” na Chikungunya ireo mpitsabo any an-toerana.