- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Dubai: Fahatsiarovana ny mpitoraka blaogy Iraniana Omid Reza Mirsayafi

Sokajy: Emirà Arabo Mitambatra, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Zon'olombelona

Tanora eo ho eo  amin'ny 40 avy any amin'ny vazantany efatra no niaraka tao amina “cafe” iray any Dubai ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny nahafatesan'ilay mpitoraka blaogy Iraniana Omid Reza Mirsayafi [1], mpitoraka blaogy voalohany maty tany am-ponja. Nandray anjara tamin'ny alalan'ny zava-kanto teny amin'ny kianjan'ny Hetsika 18 Marsa [2], OR318, ihany koa io fihaonana io.

Junkie, mpikambana ao amin'ny vondrona 18 Marsa dia nanazava [3] ny fikarakaràna ity fihaonana ity ary milaza:

Nieritreritra ny hikarakara Tweetup aho (ary nanomana zava-kanto itambarana ho an'ny Hetsiky ny Alakamisy 18 Marsa).

Ahitàna lamba lehibe iray io zava-kanto io ka ahafahan'ireo mpanohana ny hetsika mivory sy manoratra ny dikan'ny fahalalahana miteny amin'izy ireo. Azon'izy ireo ampiasaina avokoa izay fitaovana rehetra azo eritreretina – saripika, kisarisary, tononkalo, eny fa na fanambaràna tsotra fotsiny aza hoe “Mila fahalalahana miteny aho. kthxbai” voasoratra eo amin'ilay lamba mba hampitàna ny hafatra.

Ireto [4] misy sasantsasany amin'ireo famoronan-java-kanto.

Fanoherana ny sivana

or3181

or3182

Ho an'ny fahalalahana maneho hevitra

or3183

Ity misy horonantsary mampiseho ny hetsika tany Dubai:

OR318 -Hetsiky ny 18 Marsa – Dubai Edition [5] avy amin'i Areeba Hanif [6] ao amin'ny Vimeo [7].

Ny Hetsiky ny 18 Marsa dia mampiasa sarimiaina [8] mba hisintonana saina maro sy mbola tanora. Efa notsidihana in-75 000 ny sarimiaina faharoa [9] momba izany. Nasongadina tao min'ny pejy fanoloran'ny Youtube izany tamin'ny12 Marsa.