Tanora eo ho eo amin'ny 40 avy any amin'ny vazantany efatra no niaraka tao amina “cafe” iray any Dubai ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny nahafatesan'ilay mpitoraka blaogy Iraniana Omid Reza Mirsayafi, mpitoraka blaogy voalohany maty tany am-ponja. Nandray anjara tamin'ny alalan'ny zava-kanto teny amin'ny kianjan'ny Hetsika 18 Marsa, OR318, ihany koa io fihaonana io.
Junkie, mpikambana ao amin'ny vondrona 18 Marsa dia nanazava ny fikarakaràna ity fihaonana ity ary milaza:
Nieritreritra ny hikarakara Tweetup aho (ary nanomana zava-kanto itambarana ho an'ny Hetsiky ny Alakamisy 18 Marsa).
Ahitàna lamba lehibe iray io zava-kanto io ka ahafahan'ireo mpanohana ny hetsika mivory sy manoratra ny dikan'ny fahalalahana miteny amin'izy ireo. Azon'izy ireo ampiasaina avokoa izay fitaovana rehetra azo eritreretina – saripika, kisarisary, tononkalo, eny fa na fanambaràna tsotra fotsiny aza hoe “Mila fahalalahana miteny aho. kthxbai” voasoratra eo amin'ilay lamba mba hampitàna ny hafatra.
Ireto misy sasantsasany amin'ireo famoronan-java-kanto.
Fanoherana ny sivana
Ho an'ny fahalalahana maneho hevitra
Ity misy horonantsary mampiseho ny hetsika tany Dubai:
OR318 -Hetsiky ny 18 Marsa – Dubai Edition avy amin'i Areeba Hanif ao amin'ny Vimeo.
Ny Hetsiky ny 18 Marsa dia mampiasa sarimiaina mba hisintonana saina maro sy mbola tanora. Efa notsidihana in-75 000 ny sarimiaina faharoa momba izany. Nasongadina tao min'ny pejy fanoloran'ny Youtube izany tamin'ny12 Marsa.