
Toraka baomba mandatsa-dranomaso voalohany tamin'ny mpanao fihetsiketsehana tany Athena (@odysseasgp)
Saika teo noho eo ihany sady niara-nandeha ny fitaterana ny famoretana tsy nisy fiantsiana nataon'ny polisy tamin'ireo nanao fihetsiketsehana tany amin'ireo tanàna roa ireo. Tany Athena i Odysseas no nisioka an-tserasera vantany vao nanomboka ny fihetsiketsehana,
Ακουστικά από μπροστά κροτου λαμψης και δακρυγόνα κοντά στο Πολυτεχνείο
..narahin'i panwsk, nanaraka ny fihaonana tany Thesalonika, tao anatin'ny minitra vitsy:
Απρόκλητη χρήση χημικών αυτήν τη στιγμή μπροστά στη Χαλκέων!
Nanomboka teo ka naharitra efa ho efatra ora no nampiasa Twitter i Odysseas hanao tatitra mitohy tamin'izaa nataon'ny polisy nandritra ny diabe sy ny fifandonana tao afovoan-tanànan'i Athena, niaraka tamin'ny saripika nalefany tamin'ny finday tao amin'ny yfrog, raha nitatitra ny fihaonana izay vetivety kokoa, sy kely kokoa ary nilamindamina kokoa tany Tesalonika i PanwsK. Miaraka matetika amin'ny ao anaty olona ao ny mpaka sary tsy miankina amina gazety mba hiarovan-tena rehefa manangom-baovao anaty fihetsiketseha-panoherana tahaka itony, ka izay no mahamora ahitan'ny polisy azy ireny. Ny mpanao gazety mpaka sary endiaferon, izay efa nahazo an-tsary ny daroka ataon'ny polisy tafatsorofaka aloha tamin'ny polisy nandritra ny fivorian'olona vao haingana, dia mbola nijoro vavolombelona tamin'ny herisatra nataon'ny polisy tamin'ny mpanao gazety,
Σε κάποιον που τραβούσε βίντεο του όρμησε άνδρας των ΜΑΤ, του πήρε τη κασέτα και του έσκασε κουτουλιά στο κεφάλι με το κράνος…
..ary tratra mbamin'ny mpanao gazety vahiny:
Η ίδια διμοιρία επιτέθηκε σε ξένο φωτογράφο. The motherfucker went straight on me φώναζε ο ρεπόρτερ. Και τα δύο περιστατικά έγιναν δίπλα μου
Nalefan'ilay mpaka sary mpanao gazety teo aloha, Craig Wherlock, tamin'ny Twitter ihany koa ny fomba fijeriny taorian'ny fihaonana tao Tesalonika,nanamafy ny tatitra fa nisy daroka nataon'ny polisy nefa tsy nisy antony tokony nanaovany izany,
Ny polisy eto Tesalonika no mitady gidragidra, niditra an-tsehatra nihantsy ny mpilahatra na dia tsy nisy na inona na inona nitranga aza #griots
ary notantarainy ny nataon'ny mpihetsiketsika
Inona no holazainao raha misy toerana lasa mifampiaro ny mpampianatra tsy hotratran'ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny olona efa retirety tezitra loatra ka mitoraka atody ny polisy?
Maro tamin'ireo olo-tsotra tia mampita sary, ka ao anatin'izany i Wherlock sy i endiaferon, no namoaka ny hazany (sary) nandritra ny andro ao amin'ny vohikala famoahantsary ho an'olo-tsotra Demotix, izay efa nanokana sehatra rotaka tany Gresy nandritra ny rotaka tany tamin'ny volana desambra.
Tatitra an-dahatsary ny filaminana sy ny herisetra
Namoaka sary maro sy lahatsary maneho ny fihaonan'ny mpiasa nahazo olona maro sady nanomboka tao anatin'ny filaminana tamin'ny voalohany tao Atena ny mpamaham-bolongana Giorgos Sarris , nampitaha azy tamin'ny fandraisan'ny mpianatra politeknika, nandritra ireo taona nanalana ny jadon'ny kolonely, fa ny mpamaham-bolongana GiaNT kosa namoaka an-dahatsary maro ny gidragidra nanaraka izany nanodidina ny kianja afovoan-tanàna ao Omonia nisy teo amin'ny anarshista sy ny polisy taorian'ny famoretana, sy ny fialan'ny polisy misahana ny fifehezana ny rotaka teo amin'ny kianja Exarchia nanaovan'ny polisy fahirano hatramin'ny nandraisan'ny governemanta sosialista ny fitondrana – ary tao no nitifiran'ny polisy ho faty ny tanora iray 15 taona Alexandros Grigoropoulos tamin'ny Desambra 2008. Fanginan'ny Ministera ao amin'ny Twitter
Eo ankilan'ny fitaterana amin'ny haino aman-jery, nampiasa ny Twitter koa ny olo-tsotra hilaza sy hanohitra ny herisetra ataon'ny polisy sy ny fampiasana ny baomba mandatsa-dranomaso maro dia maro, tsy manavaka izay darofana tany Athena; ny sasany, nilaza nivantana tany amin'ny minisiteran'ny fiarovana ny olom-pirenena. Hita manamarina izany ny manao gazety sady mpamaham-bolongana mavitrika AnemosNaftilos ,
Ηλικιωμένοι και μικρά παιδιά με αναπνευστικά προβλήματα. Εχει δημιουργηθεί πανικός.
Raha mitady izay antony nanaovana ny famoretana ny mpanao gazety Matthew Tsimitakis,
Η πορεία σε αδικαιολογητο κλοιό και χημικά @chrisochoidis για ποιο λόγο ; Δεν υπάρχουν πουθενά βίαιες ομάδες. Είναι εργατική πορεία
ary milaza ny fahatezerany i Andreas Trianta, mpanangana ny fandrefesana tahaka ny an'i Obameter izay fandrefesana ny fampanantenana nataon'ny governemanta nandritra ny fampielezan-kevitra :
@chrisochoidis μέρα ντροπής για όσους από μας στηρίζουν ΠΑΣΟΚ. Αδιανόητο να μη μπορούν πολίτες να διαδηλώνουν ελεύθερα επί κυβερνήσεως ΓΑΠ
Ny omalin'io anefa ny ministra, izay namaly momba ny herisetra tafahoatra nataon'ny polisy tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ny volana desambra-ary tsy mbola nampihatra ny- fampanantenana hampitsahatra ny fampiasana ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny fanavaozana ny rafi-mpampianarana, no manamafy (nanatontosa) ilay toa fanalana azy hanangana kaonty Twitter ofisialin'ny polisy. Nangina hafahafa kosa indray anefa izy tamin'ity indray mitoraka ity nandritra ny andro sy ny alina. Nitondra ny akon'ny fihetseham-pon'ny mpamaham-bolongana amin'ny ankapobeny kosa ny Mpitsara Mpamaham-bolongana xasodikis , sady nanamafy rahateo ny resaka momba ny polisy-tao anatin'ireo herinandro vitsivitsy ireo,
Το Νέο Πρόσωπο της αστυνομίας μοιάζει ύποπτα με το παλιό. Έστω και με twitter account.
ary ilay mpamaham-bolongana tsy fantatra anarana namehy ny fahadisoam-panantenan'ny olona mitarika ho amin'ny ranomodin'ny rotaka sy ny famoretana, efa mankaleo, ao amin'ny Tumblr antsoina hoe “Ny lesona nianarako“:
People are angry. Angry at bad politicians who are stealing their money, angry at bankers asking them to pay off their loans, angry at journalists for being corrupted, angry at “foreign powers” for wanting to destroy Greece, angry at their neighbor for being their neighbor. At some point the reason for all the anger stops having importance and what’s left is the process of setting it free. [..] It’s not just a financial crisis what we live. Causes should be searched deeper into the society. In case we want to be done with it.