- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsoratra iray hiadiana amin'ny Sivana aminy Aterineto

Sokajy: Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

internet_liberte_orange-ef8d8.png

Mino ny Fahalalahana Miteny ve ianao?

Heverinao ve fa azon'ny saina leferina ny fitarafana ny momba anao sy ny fitsikilovana anao rehefa eo amin'ny aterineto?!

Heverinao ve fa zonao ny misitraka  fikarohana&fitorahana blaogy tsy misy sivana amin'ny Aterineto?

Mino ny Fahalalahan'ny Vaovao ve ianao? Ny Zo Hahazo Vaovao?

Maniry ve ianao ny hiaro ny Aterineto tsy misy teritery sy azon'ny rehetra tsidihana amin'ny fotoana rehetra sy amin'ny toerana rehetra?

Tohano àry ny Andro manerantany hiadiana amin'ny Sivana aminy Aterineto [1], 12 Martsa…

Amparitaho ny feo!

Amnesty International [2] & Reporters Without Borders [3] dia nandefa taratasy misokatra [4] ho an'ny  Yahoo, Google & Microsoft mba hananana andro iray hisian'ny fikarohana&fitorahana blaogy tsy misy sivana amin'ny Aterineto ny volana Martsa  2009.

Ka amin'ity taona ity, Reporters Without Borders dia hanolotra ny loka voalohany amin'ny  “Netizen Prize [1],” miaraka amin'ny fanohanan'ny Google, amin'ny 11 Martsa 2010,  mialohan'ny Andro manerantany hiadiana amin'ny Sivana aminy Aterineto. Ny loka dia hatolotra ho an'olona iray mpampiasa aterineto, mpitoraka blaogy na  cyber-dissident izay nandray anjara mavitrika tamin'ny fiarovana ny fahalalahana miteny amin'ny aterineto.