- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Hiatrika sazy ny mpitondra herintaona aty aoriana

Sokajy: Madagasikara, Fifidianana, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana, Voina, Zon'olombelona

Eo ampanatonan'ny fitsingerenan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 17 marsa  2009  teto Madagasikara [1], iny dia efa mananontanona ihany koa ny  [2]fanasaziana hampiharina amin'ny olona tsirairay amin'ireo mpitondra an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao [3] noho ny tsy fanajan'izy ireo ny fifanarahan'i Maputo [3] izay efa nifaneken'ny mpandray anjara rehetra.  Tonga moa izao fanapahan-kevitra izao taorian'ny fampitandremana iray volana avy amin'ny Vondrona Afrikana sy ny Vondrona mpanelanelana iraisam-pirenena ka narahana fanafoanana ara-barotra iraisam-pirenena [3] nanana fiantraikany tamin'ny orinasa teto an-toerana. Handray fanapahan-kevitra ihany koa izy ireo rehefa nahita ny tatitry ny Amnesty International [4] sy ny antontan-taratasin'ny Departemantam-panjakana Amerikana  miresaka ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona [4] ary ny fitrandrahana iraisam-pirenena nefa tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy [5] avy amin'ny ala voajanaharin'i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Araka ny filazan'ny Malagasy mpanara-baovao iray monina eto an-toerana, any amin'ny fampikatsoana ny kaonty any amin'ny banky [6] an'ireo olona tsirairay ao anatin'ny lisitra sy ny mety ho fisamborana izay mivoaka an'i Madagasikara izany fanasaziana izany (fr).

Tsy miraharaha sy toa mihaika izany sazy mety hihatra izany mihitsy ny fitondrana, mandresy lahatra fa ny fifidianana nasionaly ihany no vahaolana mahomby hialana amin'ny krizy.  Mbola tsy voafaritra mazava moa ny fanomanana sy ny fanaraha-maso izany fifidianana izany ary efa nahemotra [7] ny fifidianana iray efa nokasaina hotanterahina.

Mbola nanampy trotraka ny fisian'ny kizo ihany koa ny voina nateraky ny  Rivodoza Tropikaly nahafaty olona 14 sy namela tsy manan-kialofana [8]37 [8] 891 [8] taorian'ny fandalovany tamin'iny herinandro lasa iny.

Flooding caused by Storm Hubert via Global Green grants Fund
Tondra-drano nateraky ny rivodoza Tropikaly Hubert tany Atsimo Atsinanana Madagasikara

(Sary: Global Green Grants Fund [9])

Mifangaroharo ny fihetseham-pon'ny mpamaham-bolongana iray monina eto MadagasikaraReflecting upon the upcoming sanctions on national Malagasy leaders,  Citoyenne Malgache, amin'izay mety ho fiantraikan'ny fanasaziana ho avy amin'ireo mpitondra Malagasy amin'ny vahoaka Malagasy. Sahirantsaina eo anatrehan'ny hafaliana sy ny tahotra [10] izy (fr):

Contente ? Si l’Union Africaine ne se contente pas de sortir sa liste des sanctionnées, mais présente aussi au peuple malgache (celui de 19 millions et pas celui de 912 personnes) les actions concrètes et immédiates pour la mise en œuvre des accords de Maputo [..] Worried ? En réaction à ce que l’Union Africaine dira ou fera, la troupe à Rajoelina et leurs bandes armées pourraient faire de la résistance[..] Ce 17 mars, je me demande quel monde je trouverais à mon réveil

Faly? Raha toa ka tsy mionona amin'ny famoahana ny lisitr'ireo hosaziana fotsiny izy, fa mampiseho asa mivaingana sy eo noho eo amin'ny fampiharana ny satan'ny Maputo ny Vondrona Afrikana[..] Manahy ? Miankina amin'izay hataon'ny Vondrona Afrikana ihany, efa vonona ny hamahatra Rajoelina sy ny tarika mitam-piadiana ao aminy [..] Manontany tena aho hoa tontolo aiza no hisy ahy amin'io 17 marsa io

Manofinofy firenena manana maodely samihafa [lalàna hafa?] mba tsy handalo karazan-krizy toy izao intsony i [11] Madagoravox:

On pourrait aussi rêver d’une action politique qui ne serait le fruit ni de rencontres occasionnelles, ni d’un calcul personnel, ni d’une ambition partisane, mais le fruit d’une morale, d’une éthique qui engagerait pleinement chacun

Azo atao ihany koa ny manofinofy raharaham-politika tsy vokatry ny fihaonana tsindraindray, na vokatry ny kajikajy na hambom-po mitongilana, fa vokatra avy amin'ny fandresen-dahatra [na maoraly] sy ny etika mampirotsaka an-tsehatra ny tsirairay.

Mieritreritra i Ndimby fa ny vahaolana tokana mahomby hialana amin'izao krizy izao dia amin'ny alalan'ny fifampiresahana matotra eo amin'ny mpifahavalo teo aloha [12] fa tsy mamoroporona fihaonana ivelambelany toy ny teo aloha dia lazaina fa niarahana nanapahan-kevitra (fr):

L’unilatéralisme ne réside pas dans l’absence ou la présence de débats mais dans le fait que le cadre du débat est déjà dès le départ tellement orienté, qu’il a empêché de parler sérieusement des choses essentielles, et de réunir les personnes qui comptent vraiment dans la résolution de crise

Tsy eo amin'ny fisiana na tsy fisiana adihevitra no itoeran'ny fanaovana samirery fa eo amin'ny fampironana mialoha sahady ny adihevitra, mba tsy hahafahana mifampiresaka tsara ny foto-javatra, sy mamory ireo olona te-hamaka ny krizy tokoa.

Misy fandraisana andraikitra antsoina hoe “Mitsangana” mba hahazoan'ny vahoaka Malagasy mahazo valinteny avy amin'ny mpanao politika avy amin'ny fironana rehetra amin'ny fanontanian'izy ireo [13] mijoro ao amin'ny Facebook.

Raha mbola mitohy ny krizy dia mihamafana koa ny raharaha sosialy. Efa am-bolana izao no nitokona ny mpiasan'ny fahasalamana sy ny dokotera ary hita mivory eny ivelan'ny ozinina ny mpiasan'ny orinasa afa-kaba mikasa ny hanaisotra azy ireo amin'ny volana Avrily.

Unemployed protesting outside a factory in AntananarivoMpiasa manao fanoherana eo ivelan'ny orinasa iray eto Antananarivo

(Sary: vondrona facebook “Mitsangana”)

Araka ny mateti-pitranga, ny fiaraha-monina ambanivohitra no iharan'ny fahantrana lalina kokoa.  Mitantara ny fiainany sarotra i Louise, avy any atsimon'i Madagasikara, ka manazava fa namotika ny loharanon-karen'ny tany sy ny karazan-trondro ao amin'ny faritra misy azy ny fiovana [14] tao anatin'ny taona vitsivitsy izay:

People in Ilafitsignana are now deprived of their farmland… As a result, there are many more people living off fishing, and resources are no longer enough… Ambatsy and sâro are almost non-existent. fiambazahaare still around but not as many…angora lo and varavarà were so easy to catch in the past but are almost non-existent now… tofoky are also hard to find (author's note: names in italics are species of fish in Malagasy)

Tsy manana ny toeram-pamboleny intsony ny mponina ao Ilafitsignana… Vokatr'izany, maro ny olona tsy afa-manjono, tsy ampy intsony ny fidiram-bola… Efa saiky tsy misy intsony ny Ambatsy sy ny  sâro. Mbola misy ihany ny fiambazaha fa tsy dia maro…angora lo sy ny varavarà moa nomora azo taloha saingy efa tsy misy intsony izao… Sarotra hita koa ny tofoky (anara-trondro daholo ireo ry zareo a!)

Araka ny nolazain'ny Banky Mondialy, voatery namindra ny $200 tapitrisa hampandehanana ny sampan-draharaham-panjakana [15] avy amin'ny tetibolam-panjakana ny fitondrana. Manazava i  Achille52 fa ny rafi-mpampianarana no voalohany voa mafy indrindra amin'izany ary hisy fiantraikany mafaitra amin'ny ho avin'ny firenena izany [16] (fr):

C’est le manque de financement qui est la plaie de l’enseignement publique, les enseignants ne sont pas motivés à cause de leur salaire minable, et les enfants issus de la classe défavorisé ne sont pas assez concentrés. Et si on supprime les aides qui subsistent, où va-t-on ?

Ny tsy fahampiam-bola no aretin'ny fampianarana eny amin'ny fanjakana. Tsy manam-pahazotoana noho ny karama tsizarizary tanteraka ny mampianatra ary tsy manam-pifantohana tsara ny ankizy avy amin'ny sarangan'olona tsy manana na inona na inona loatra. Koa raha foanana ny fanampiana, dia ho aiza isika ity?

Lova Rakotomalala [17]