- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Fahatsiarovana OR318 mpamaham-bolongana maty tany am-ponja

Sokajy: Iràna, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika

Mihamanakaiky ny herintaona nahafaty ny mpamaham-bolongana sady mpanao gazety Omid Reza Mir Sayafi [1]ary miomana fatratra ho amin'izany ny hetsika OR318, mampahafantatra tsy ny fahafatesan'i Omid tany am-ponja ihany fa ny loza mihantona ho an'ny mpamaham-bolongana manapa-kevitra ny hanoratra ihany koa.

Ao amin'ny vohikalany march18.org [2] no anangonan'izy ireo soratra am-bolongana [3], lahatsary [4] ary saripika [5] miompana amin'ny fahalalaham-pitenenana, ary dia nanokatra twitter [6]sy vondrona  facebook [7] ihany koa izy ireo.

Indro ny iray amin'ny lahatsary, navoakan'i wunderkindify, [8]izay hanavazavany ny hahatongavan'ny OR318:

Jordan Ess showed his support [9] by taking a picture of himself holding up signs supporting the movement:

Jordan Ess shows support for OR318 [10]

Jordan Ess naneho fanohanana ny  OR318

Ahoana ny fomba andraisanao anjara sy hampahafantarana an'izao tontolo izao ny lohahevitra miompana amin'ny fahalalaham-pitenenana? Namoaka lahatsary hanavazavany ny hetsika isan-karazany azonao atao hanohanana ny hetsika OR318 i MEYmedia [11].

Juliana Rincón Parra [12]