Mihamanakaiky ny herintaona nahafaty ny mpamaham-bolongana sady mpanao gazety Omid Reza Mir Sayafi ary miomana fatratra ho amin'izany ny hetsika OR318, mampahafantatra tsy ny fahafatesan'i Omid tany am-ponja ihany fa ny loza mihantona ho an'ny mpamaham-bolongana manapa-kevitra ny hanoratra ihany koa.
Ao amin'ny vohikalany march18.org no anangonan'izy ireo soratra am-bolongana, lahatsary ary saripika miompana amin'ny fahalalaham-pitenenana, ary dia nanokatra twitter sy vondrona facebook ihany koa izy ireo.
Indro ny iray amin'ny lahatsary, navoakan'i wunderkindify, izay hanavazavany ny hahatongavan'ny OR318:
Jordan Ess showed his support by taking a picture of himself holding up signs supporting the movement:
Ahoana ny fomba andraisanao anjara sy hampahafantarana an'izao tontolo izao ny lohahevitra miompana amin'ny fahalalaham-pitenenana? Namoaka lahatsary hanavazavany ny hetsika isan-karazany azonao atao hanohanana ny hetsika OR318 i MEYmedia.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...