- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hiaro ny zon'ireo fahavalonao ara-politika ve ianao? (momba ny sivana Alzeriana)

Sokajy: Alzeria, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Ho lahatsoratro voalohany eto amin'ny  Global Voices Advocacy, te-hametraka adihevitra aho mikasika olana iray nitambesatra ela tamiko hatramin'ny nivoahan'ny vaovao milaza voalohany ny fahatapahan'ny vohikala politika teto Alzeria [1]. Izany hoe, hatraiza no fetra azon'ny tsirairay aleha ho fiarovana ny zon'olombelona, ary ny tena lehibe indrindra amin'izany dia ny fahalalahana miteny, ho an'ny fahavalo ara-politika*. Ny sary voalohany mby ao an-tsainao dia ny vondrona faran'izay hàlanao indrindra, vondrona iray eritreretinao fa hanimba ny fiainanao ho amin'ny endriny faran'izay ratsy raha inty hono ka mahazo fahefana ary heverinao fa ny antom-pisianao dia ny handresy azy ireo ara-politika ary amin'ny fomba rehetra azo atao mihitsy. Hanampy anao aho amin'ny fitondrana fanazavana momba ny vanim-potoanan'iny.

Ny vohikalan'i Rachad [2] no voasivana tao Alzeria.  Rachad dia fikambanana politika iray any an-tsesintany miezaka “manongana” ny fanjakana amin'ny fomba milamina. Tsy dia mitàna toerana goavana ara-politika ry zareo (sarotra refesina izay nahatonga ny lazan'izy ireo noho izy vohikala voasivana voalohany? – heverin'ny olona ho toy ny nisoroka zava-doza mby an-koditra ny fitondrana). Nefa maro amin'ireo mpikambana ao aminy no mifamatotra amin'ny vondrona politika FIS izay voarara amin'izao fotoana. Ny FIS dia saiky nahazo ny toerana betsaka indrindra tao amin'ny parlemanta tamin'ny 1991 tao anatin'ilay vovonana islamista izay matetika no miara-manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny demokrasia ka manome vahana ny fanjakana