12 Marsa 2010

Tantara tamin'ny 12 Marsa 2010

Thailandy: Miala any ny menalamba

  12 Marsa 2010

Manam-pikasana ny hanomboka filaharambem-panoherana any Bangkok any Thailandy manomboka ny 12 marsa io ny United Front of Democracy Against Dictatorship (UDD) na Manda Mivondrona ho amin'ny Demaokrasia manohitra ny Didy Jadona, fantatra ho Menalamba (Red Shirts). Menalamba an-hetsiny no antenaina ho tafavory mandritra io faran'ny herinandro io, ka ny hetsika...

Hiaro ny zon'ireo fahavalonao ara-politika ve ianao? (momba ny sivana Alzeriana)

GV Mpisolovava  12 Marsa 2010

Ho lahatsoratro voalohany eto amin'ny  Global Voices Advocacy, te-hametraka adihevitra aho mikasika olana iray nitambesatra ela tamiko hatramin'ny nivoahan'ny vaovao milaza voalohany ny fahatapahan'ny vohikala politika teto Alzeria. Izany hoe, hatraiza no fetra azon'ny tsirairay aleha ho fiarovana ny zon'olombelona, ary ny tena lehibe indrindra amin'izany dia ny fahalalahana miteny,...

Iran: Fahatsiarovana OR318 mpamaham-bolongana maty tany am-ponja

  12 Marsa 2010

Mihamanakaiky ny herintaona nahafaty ny mpamaham-bolongana sady mpanao gazety Omid Reza Mir Sayafi ary miomana fatratra ho amin'izany ny hetsika OR318, mampahafantatra tsy ny fahafatesan'i Omid tany am-ponja ihany fa ny loza mihantona ho an'ny mpamaham-bolongana manapa-kevitra ny hanoratra ihany koa. Ao amin'ny vohikalany march18.org no anangonan'izy ireo soratra am-bolongana, lahatsary ary saripika miompana amin'ny...