Shina: Tantara foronina voalohany @ Twitter

Nilaza tao amin'ny bolongany i Lian Yue, mpampianatra teo aloha sady mpitsara ihany koa teo aloha fa efa mpamaham-bolongana malaza sy mpanadihady politika any Shina, fa hanomboka hanoratra tantara foronina iray mitondra ny lohateny hoe 2020 izy amin'ity volana ity. Araka ny nolazainy ihany moa dia tsy hifarana ity tantara ity raha tsy amin'ny taona 2020.

Ary rehefa miteny izany moa aho (ahitsio aho raha diso) dia ity no tantara shinoa noforonina voalohany mivoaka amin'ny Twitter. Matt Stewart no voalaza fa mpanoratra namoaka tantara noforonina lava voalohany tamin'ny Twitter izay nampitondrainy ny lohateny hoe, Ny Revolisiona Frantsay. Izany moa no nataony rehefa tsy nety nahita mpanonta hamoaka ny bokiny ‘mampididoza’ izy. Hafa kosa anefa ny antony nanosika an'i Lian Yue hanao toy izany. Izao no antony:

这跟在浴室唱歌同一个道理。人在放松自由的时空里,你会想到娱乐自己,你有创造与表达的热情。浴室歌声无法发行,偶然听到的人也许耳朵要受罪,可是那个在水雾中温暖松弛的家伙,他无法控制自己啊。

Tahaka ny mihirahira eo am-pandroana izy ity. Rehefa afa-boly iny ianao dia hampifaly tena; manana faniriana lalina hamorona sy hiteny ianao. Tsy tokony hivoaka ho hitan'ny besinimaro ny hirahira eo am-pandroana. Mety hijaly manko izay mahare izany. Fa tsy afa-mifehy ny tenany izany mampifaly ny tenany ao anatin'ny setroky ny fandroana ao.

在极端严酷的环境中,创造力将逐渐消亡,文字的多义和暧昧,可以任意引申为犯罪的故意,创造等同于自杀,于是再也没人做了,文字只残存标准化的批判与审判。

Ao anatin'ny tontolo tena henjana kosa dia maty tsikelikely kosa izay famoronana izay. Mety ho azo avadika mora ho porofon-keloka ny fananan'ny voambolana hevitra mandray roa sy dika maro. Satria manko mitovy dika amin'ny famonoan-tena ny famoronana dia tsy misy ny miraikipo aminy manokana. Nihendanja ny voambolana ka lasa mitovy amin'ny tsikera sy fitsarana.

气候稍稍回暖以后,不必穿得那么厚,泥土也变软了,友好地保存你的鞋印,就像苗要从缝里钻出,创造性在这个阶段也是靠它的多义与暧昧甩掉追踪的尾巴,面对指控也可以自我辩护,好比巧妙的示爱,遭拒后并不丢脸。

Mihamafana ny toetr'andro; tsy mila miakanjo matevina intsony isika. Mihamalefaka ny tany itsahina; azo tehirizina ny diatongotrao. Tahaka ny tsimoka mivoaka avy eo amin'ny lavaka. Eo amin'izay toerana izay dia miankina amin'ny fananan'ny voambolana hevitra mandray roa sy dika marony famoronana ahafahany mandositra ny fanamelohana sy miaro ny tenany ihany koa. Tahaka ny fitorianao fitiavana amin'olon-kafa ihany io ka tsy hahatsiaro menatra na dia lavina aza.

只不过,这场游戏不是爱情,谁也不知道哪块肉里有刺,不小心碰到了就痛得发火。创造力还是佯狂装醉,这对思维照样有害。李白与怀素不敢喝醉,只能在微醺中算计,这对他们来说,就失去了一切活力。

Na izany aza, tsy resa-pitiavana izy ity. Tsy misy mahalala hoe aiza nomisy ny fanindronana. Maratra ianao raha tsy mitandrina. Fa raha miteny ianao hoe mamo aho na adala dia hanimba ny fomba fieritreretana mahampanakanto. Very ny hery sy ny hasina nananan-dry Li Bai sy ry Huai Su [poeta Shina fahagola sady mpanao soratra an-tsary izay mampiavaka ny shinoa rahateo] raha nahasahy niteny hoe tsy mpisotro [ho mamo].

假如一个人在受酷刑,头被摁在水里,快要憋死时,可以探头吸一口气,此时呼吸是唯一主题。而到了正常呼吸的时候,呼吸却被忽视了,这个人就会去找一些别的事情消磨时间。在twitter上就是这种感觉,有创造力的新人们,在那里相会吧。

Eritrereto hoe misy olona torotoro sy voatery ho any anaty rano. Raha sempotra izy, saingy afaka misinton-drivotra hiaina dia ny hanao izay hiainana ihany no tena ikirizany. Fa raha afa-miaina tsara izy dia tsy eritreretiny akory ny hoe hifoka rivotra. Fialamboly hafa no hotadiaviny. Eo amin'ny twitter no ananako izany fahatsapana izany. Ao no fotoantsika izay mpamorona sy mpandray andraikitra.

Raha afa-mamaky teny shinoa moa ianao dia afa-manaraka ny tantara ao amin'ny twitter.com/lianyue (hashtag #ly2020).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.