- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Irak: Androm-pifidianana ao @ Twitter

Sokajy: Iràka, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Vaovao Mafana
Exclusive #iraq10 picture from polling station in #Baghdad: www.mict-international.org/1a.jpg

Sary tsy hitan'ny hafa tany #iraq10 tao anaty biraom-pifidianana ao #Baghdad: www.mict-international.org/1a.jpg

Fifidianana ny any Iràka ka heniky ny vaovao farany momba izany ny tontolon'ny Twitter hatry ny maraina.

Raha te-hanaraka ny vaovao farany, dia araho manokana ny @iraqelections [1] fa “solontena 30 manerana an'i Iràka no hitatitra ny zavamisy tsikaritra mandritra ny fifidianana isan'ora manomboka amin'ny folo ora maraina araka izay hitan'izy ireo ao an-toerana.”

Mandrisika ny mpamaky @iraqelections [2] mba:

Follow our coverage of #iraqelections [3] on Sunday, live here on Twitter. 40 Iraqi journalists #tweeting [4] regular election updates!

Araho ny fakam-baovaonay mandritra ny fifidianana eto Iràka amin'ny alahady, araho mivantana amin'ny Twitter eto. Mpanao gazety 40 no hisioka an-tserasera ny vaovao farany!

Mivaky toy izao ihany koa ny filazana [5] hafa:

We're live – translations are on their way! Follows us for live tweets about the #iraqelection [6] from inside #Iraq [7]. Join the debate #iraq10 [8]

Mivantana ny anay – an-dalana ny fandikan-teny! Araho mivantana ny siokanay (Tweet moa no nadikako hoe sioka) momba ny fifidianana Irakiana jerena ato anatin'i Iràka. Midira amin'ny adihevitra #iraq10

Toy ny fahita amin'ny fifidianana manerana ny tany ihany ny vaovao farany avoakan'ny mpanara-maso, ankoatra ny maha-tranga amnokana an'i Iràka. Maro ny baomba nipoaka vao maraina ar be ihany koa araka ny tatitra ny gidragidra eo amin'ny ankolafy samihafa.

Ao amin'ny @iraqelections, nahafa-po tokoa ny asa vitan'ny mpitati-baovao tamin'ny alalan'ny filalaovana ny Twitter nampiasany ny fitaovan'ny valam-piarahamonina an-tserasera.

Tamin'ny vaovao farany no nitateran'i Laith [9]:

ليث بغداد عشرات العوائل من منطقة الكرادة يحرمون من التصويت لعدم ورود اسمائهم في سجل الناخبين #iraq10 [8] #iraqelection [6]
Laith: Baghdad: Fianakaviana folo avy any amin'ny faritr'i AlKaradah no tsy nahazo nifidy satria tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana ny anaran'izy ireo

Avy any Sulaimaniya i Jamal [10] no manoratra:

#SULAIMANIYA [11], Jamal: Voting stations are closed. Press is not allowed to enter and monitor the counting of votes. #iraq10 [8]

#Sulaimaniya, Jamal: Tapitra ny fifidianana. Tsy navela hiditra hijery ny fanisam-bato ny mpanao gazety. #iraq10

Toeran-kafa ao amin'ny tonotlon'ny Twitter i @iawia1 [12] no nanamarika:

Today Iraq's having the most democratic election in the region.Hope it holds&be example4mideast #iranelection [13] #iraqelection [6] #iraq [14]

Nanatontosa ny fifidianana tamin'ny fomba demaokratika indrindra eto amin'ny faritra i Iràka androany. Manantena fa hitohy izany ka ho ohatra ho an'i Proche Orient #iranelection #iraqelection #iraq

Tsara fijery ihany koa ilay Amerikana @jeffmeyerson [15]:

Celebrate with freedom-loving Iraqis as today they make their case for democracy. #Iraq [7]

Miara-mankalaza amin'ireo Irakiana mpandala fahafahana noho ny fizoran'izy ireo mankamin'ny demaokrasia. #iraq

Ary nanao famintinana ny fizotry ny androany i Miguel Marquez [16], solontenan'ny famoaham-baovao ABC:

#Iraq [7] elex: 38 killed,73 injured. Nearly 40 explosions. Still the Iraqis turned out to vote. Looks like vote cnt will be higher outside BGD

Fifid:maty 38, maratra 73. Fipoahana manakaiky ny 40. Mbola nifidy ihany ny Irakiana. Tahaka ny ho be ny mpandray anjara ivelan'i BGD (Baghdad)

Amira Al Hussaini [17]