Maraoka : Ka ny bolongan'iza ary no BOMB e?

BOMBiesNy fifaninanana Best Of Morocco Blog,[Bolongana Maraokana Tsara indrindra] na ny BOMBies, no fifaninanana famahanam-bolongana fanao isan-taona farany indrindra. Mifantoka amina bolongana miteny anglisy izy ity. Nikatona tamin'ny 21 febroary 2010 ny fifidianana izay hofantenana tao anaty sokajy dimy samihafa. Nanambara ny lisitra fenon'ny voafantina sy ny nandresy ny MoroccoBlogs.com izay mampiantrano ity fifaninanana ity.

Ny bolongana ambara iaraha-miasa The View From Fez , no lohalaharana tamin'ny sokajy Best Overall Morocco Blog [bolongana maraokana tsara indrindra amin'ny rehetra] sy ny Best Morocco News Blog [bolongana maraokana mpamoaka vaovao]. The View From Fez nifanatsafa tamin'i Vago Damitio, ilay lehilahy ao ambadiky ny MoroccoBlogs.com sy ny BOMBies. Misy ny eritreritra nahaliana tamn'ny resaka nifanaovan'izy ireo tahaka ity notsongaina ity:

[Vago Damitio:] Resy lahatra aho fa tsy amin'ny fizahantany no iankinan'ny ho avin'i Maraoka fa amin'ny aterineto. Manana fahaiza-manao na amin'ny teny [vahiny] na amin'ny teknolojia ny Maraokana. Mitoetra ho tetezamita eo amin'ny Tandrefana sy ny Tatsinanana i Maraoka ary meritreritra aho fa nahatratra ny fahamatorany izy, manam-bintana ho India vaovao i Maraoka eo amin'ny sehatry ny teknolojia. Tsy hitako izay manana tanjona mahery tahaka an'i MoroccoBlogs.com sy ireo Bombies manampy amin'ny fananganana ny ho avy ho zavamisy izany.

Ny bolongana Près du puits no tonga voalohany ho bolongan'olona iray tsara indrindra (Best Personal). Ny Culture Vultures Fez no nandrombaka ny Bolongan-kolontsaina tsara indrindra (Best Morocco Culture Blog), raha ny The Elephant Cloud no nitarika tao amin'ny sokajim-pizahatany ( Best Morocco Travel Blog).

Nilaza ny fihetseham-pony i Evelyn in Morocco, izay niandry fatratra ny valim-pifaninanana, ka faharoa tamin'ny bolongana maraokana tsara indrindra amin'ny rehetra (Best Overall):

Tahaka ny hoe nandresy aho satria nanohana ahy fatratra sy ny bolongako na ny mpiara-miasa, ny namana, ny mpamaky mahazatra ary indrindra ny mpianatro. Noho ity fifaninanana ity dia nitombo ny isan'ireo mpiara-monina sy mpiara-miasa amiko no nandany fotoana hamaky ny bolongako ary nandrisika ahy hanoratra hatrany. Izany no lokako ankehitriny. Raha ny marina loka tsy voavidim-bola izany ka ankasitrahako indrindra.

Ny fandaharana manaraka moa dia ny Blog Camp, izay heverin'ny MoroccoBlogs.com hotontosaina amin'ny volana mey any an-tanànan'i Fez.  Ity no andiany voalohany hotontosaina any Maraoka, araka izay nohazavain'i Vago Damitio ao amin'ny The View From Fez:

Fanararaotra io ho an'ny mpamaham-bolongana manerana an'i Maraoka hivory, hanao atrikasa, ary hilanona ao Fez. […] Mihamaro moa ny olona liana amin'ity Blog Camp hatramin'ny nitenenako azy hatramin'ny voalohany, ary misy aza ny sangany amin'ny mpamaham-bolongana manerantany no liana! Azo eritreretina fa mety ho afa-mifaninana amin'ny Fetiben'ny Mozika Masina eo amin'ny resaka isan'olona mety ho tonga eto Maraoka.

Hitohy!

Hisham

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.