- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta: mpitoraka blaogy iray nalefa hiatrika fitsarana miaramila noho ny lahatsoratra nataony efa ho herintaona lasa izay

Sokajy: Ejipta, Fahalalahàna miteny, GV Mpisolovava
AhmadMostafa.jpg
Sambany teto  Egypta, nalefa hiatrika fitsara-miaramila noho ny zavatra nosoratany teto amin'ny aterineto ny mpitoraka blaogy iray. Ahmad Mostafa (mpianatra) dia nanoratra tao amin'ny blaoginy Maza Asabak ya Watan [1] (Inona no maharary anao, Ô ry Fireneko?! “What Weent Wrong With You oh My country?!”) mikasika mpianatra iray avy tao amin'ny Sekoly Miaramila (na Sekolin'ny Ady), izay voaroaka ka nasaina nanao sonia filazàna ny rainy manao hoe: “ tsy mety amin'ny zankolahy ny fiainana miaramila“.
Araka ny Lahatsoratra ao amin'ny blaogin'i Mostafa [2], izay mitanisa fotsiny sasantsasany amin'ny filazan'ny fianakavian'ilay mpianatra voaroaka fa, lehilahy mpanankarena iray izay naniry ny hampiditra ny zananilahy hianatra ao amin'ilay sekoly saingy tsy nahita toerana ho azy, no niketrika ny hahazo io toerana io ary avy eo nosoloina ny zananilahy i Mostafa ilay voaroaka. Herintaona lasa izay no nanoratan'ilay tanora mpitoraka blaogy momba ilay tranga, tao anaty lohateny hoe: ‘ Ny zava-mahamenatry ny Sekoly Miaramila [The School War's Scandel]“. Saingy iray volana lasa izay dia nahazo fampitandremana avy amin'ny mpitandro filaminana noho izay lahatsoratra izay izy, talohan'ilay fitsidihan'ny filoha  Hosni Mubarak ny fari-piadidian'i Kafr El-Sheikh, izay onenan'i Mostafa sy andratoany fahalalàna. Tamin'ny 25 Febroary no voasambotra izy, raha iny izy an-dàlana hamonjy ny anjerimanontolo iny indrindra.

Ny Fikambanana miaro ny Fahalalàhana maneho hevitra sy Miteny dia nanameloka [3] ilay fisamborana ary nitanisa ireo fiampangana an'i  Mostafa, izay nitondra azy ho amin'ny fitsarana miaramila:

Nafindra amina mpisolo vava miaramila ny aminy, izay nanapa-kevitra  ny hitazona azy mandritry ny 4 andro mba hahafàhana manohy ny fanadihadiana, sy mandefa azy anoloan'ny fitsarana miaramila any Caire amin'ny 28 Febroary 2010, noho izy voampanga ho:

  1. nanàla baràka ny tafika egyptiana.
  2. manozongozona ny fitokisan'ny vahoaka ny tafika mitam-piadiana.
  3. namoaka vaovao tsy marina.

Notabatabain'ny tontolon'ny fitorahana blaogy Egyptiana ilay vaovao, indrindra indrindra fa tsy nanoratra na dia teny iray aza momba ny “tafika mitam-piadiana Egyptiana“ mihitsy ilay tanora mpitoraka blaogy, hoy i Zeinobia [4] ao amin'ny blaogy:

Manaja fatratra  ny miaramila aho ary heveriko fa ity tranga ity dia tena zava-doza tokoa , indrindra indrindra fa raha ny fahatakarako azy avy amin'ny lahatsoratra nosoratan'i Mostafa Adel momba ilay raharaha dia tafiditra ao anatin'ny raharaha koa ny sampam-pitsikilovan'ny miaramila. Raha ny fijery araka ny lalàna dia tsy tokony ho henjehina manoloana ny fitsaràna miaramila i Mostafa. Raha ny fandinihana manaraka ny tokony ho izy dia tsy tokony ho henjehana mihitsy aza izy satria tsy nisy tsiambaratelo miaramila navoakany akory

Raha niverina namaky ny lahatsoraka am-blaoginy, ilay  Egyptiana mpitoraka blaogy,  Cocy [5] dia nahita fanamarihana [6] iray, nalefa tamin'ny 26 Janoary, avy amina mpamaky iray antsoina hoe  ‘Tamer’, mandrahona an'i Mostafa noho ilay lahatsoratra voalaza ery ambony.

Ny Twitter no fitaovam-panapariahana vaovao ho an'ilay mpitoraka blaogy voasambotra, Mohamed Adel dia ni-tweet [7] ny vaovao, ary manome fanampim-baovao foana momba azy.