Sambany teto Egypta, nalefa hiatrika fitsara-miaramila noho ny zavatra nosoratany teto amin'ny aterineto ny mpitoraka blaogy iray. Ahmad Mostafa (mpianatra) dia nanoratra tao amin'ny blaoginy Maza Asabak ya Watan (Inona no maharary anao, Ô ry Fireneko?! “What Weent Wrong With You oh My country?!”) mikasika mpianatra iray avy tao amin'ny Sekoly Miaramila (na Sekolin'ny Ady), izay voaroaka ka nasaina nanao sonia filazàna ny rainy manao hoe: “ tsy mety amin'ny zankolahy ny fiainana miaramila“.
Ny Fikambanana miaro ny Fahalalàhana maneho hevitra sy Miteny dia nanameloka ilay fisamborana ary nitanisa ireo fiampangana an'i Mostafa, izay nitondra azy ho amin'ny fitsarana miaramila:
Nafindra amina mpisolo vava miaramila ny aminy, izay nanapa-kevitra ny hitazona azy mandritry ny 4 andro mba hahafàhana manohy ny fanadihadiana, sy mandefa azy anoloan'ny fitsarana miaramila any Caire amin'ny 28 Febroary 2010, noho izy voampanga ho:
- nanàla baràka ny tafika egyptiana.
- manozongozona ny fitokisan'ny vahoaka ny tafika mitam-piadiana.
- namoaka vaovao tsy marina.
Notabatabain'ny tontolon'ny fitorahana blaogy Egyptiana ilay vaovao, indrindra indrindra fa tsy nanoratra na dia teny iray aza momba ny “tafika mitam-piadiana Egyptiana“ mihitsy ilay tanora mpitoraka blaogy, hoy i Zeinobia ao amin'ny blaogy:
Manaja fatratra ny miaramila aho ary heveriko fa ity tranga ity dia tena zava-doza tokoa , indrindra indrindra fa raha ny fahatakarako azy avy amin'ny lahatsoratra nosoratan'i Mostafa Adel momba ilay raharaha dia tafiditra ao anatin'ny raharaha koa ny sampam-pitsikilovan'ny miaramila. Raha ny fijery araka ny lalàna dia tsy tokony ho henjehina manoloana ny fitsaràna miaramila i Mostafa. Raha ny fandinihana manaraka ny tokony ho izy dia tsy tokony ho henjehana mihitsy aza izy satria tsy nisy tsiambaratelo miaramila navoakany akory
Raha niverina namaky ny lahatsoraka am-blaoginy, ilay Egyptiana mpitoraka blaogy, Cocy dia nahita fanamarihana iray, nalefa tamin'ny 26 Janoary, avy amina mpamaky iray antsoina hoe ‘Tamer’, mandrahona an'i Mostafa noho ilay lahatsoratra voalaza ery ambony.
Ny Twitter no fitaovam-panapariahana vaovao ho an'ilay mpitoraka blaogy voasambotra, Mohamed Adel dia ni-tweet ny vaovao, ary manome fanampim-baovao foana momba azy.