- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Chili : Horohorontany mahatratra 8,8 refy Richter

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Vaovao Mafana, Voina

Horohorontany manana herim-pihetsehana 8,8 amin'ny refy Richter no nandona ny faritr'i Maule [1] tamin'ny 3:34 maraina tany an-toerana any Chili io. Heno hatrany an-drenivohitra Santiago izay 325km miala ny ivony ny hetsiky ny tany. Betsaka ny fahasimbana manerana ny firenena, ary mitombo isa araka izany ihany koa ny niharam-boina. Mbola re matetika moa ny setriny nandritra ny tontolo andro tany amin'iny faritra iny.

Haingana dia haingana ny nananganan'i Francisco bolongana antsoina hoe Terremoto Chile [es] [2] (Horohorontany Chili) vantany vao nisy ny horohorontany. Ankoatra ny namoahany ny fepetra tokony horaisin'ny olona rehefa misy ny horohorontany [es] [3], dia nanangona sary sy rohy maro tamin'ny Twitpic [4] ihany koa izy.

Photo of damage to Nuestra Señora de la Divina Providencia Church in Santiago. Taken by Julio Costa Zambelli and used under a Creative Commons license. [5]Sarin'ny fahasimbana nihatra tamin'ny fiangonana Nuestra Señora de la Divina Providencia tao  Santiago. Noihan'i Julio Costa Zambelli ary ampiasaina eo ambany dinan'ny Creative Commons.

Eo akaikin'ny ivony i Robinson Esparza avy amin'ny gazety El aMaule [es], anisan'ny orinasa Diarios Ciudadanos [es] [6] no mamoaka ny vaovao isam-paritra sy anatin'ny firenena farany[es] [7]. Maro amin'ny famoahan-kevitra no ahitana ny ahiahin'ny fianakaviana monina any ivelan'ny renivohitra, ary mbola nitohy izany tsy fandrenesam-baovao izany ho an'ireo mitady fianakaviana na namana izay misy fahatapahana ny herinjiro sy ny taribin'ny sofindavitra. Ny nosoratan'i Ign. Rodríguez de R. [8] (@micronauta) tamin'ny levilevy tao anatiny:

tratando horas d comunicarme con familia en Valparaíso, la red fija telefónica VTR es desastrosa, no se les debería permitir dar servicio :@

tao anatin'ny ora maro no niezahako niantso ny fianakaviana any Valparaíso, tsy mamely ny fiantso tsy mihetsika an'ny VTR, tsy tokony hanao tolotra ry zareo :@

Nanangana kaonty Twitter antsoina hoe Ayuda Chile [es] [9] (Ampio i Chili) ireo mpamoaka vaovao ao amin'ny bolongana Terremoto Chile ka ao no angonina ny vaovao avy amin'ny mpampiasa Twitter hafa mitady fianakaviana ary dia ampiasaina ihany koa ny re-tweeted (mamerina ny sioka an-tserasera ho an'ny mpanaraka). Misy moa ny mpampiasa Twitter sasay tahaka an'i Pablo González Carcey no manolotena hiantso ny olo-pantatr'ireo [es] [10] olona tahaka an'i Daniela Alvarado [11] izay tsy mety mahazo an'antso ny anadahiny any Chili. Hoy izy [12]:

@DaniAlvaradoA hice los llamados y tu familia esta bien! Abrazos

@DaniAlvaradoA, niantso ny fianakavianao aho ka salama tsara izy ireo! Mandra-panoratra

Vao nipoaka ny andro dia maromaro avy hatrany ny sary an-serasera nivoaka. Nivezivezy nanerana an'i Santiago i Claudio Olivares hijery ny fiantraikan'ny voina ka namoaka ny sary tao amin'ny Owly [13], tahaka ny nataon'i Costanza Campos izay naka saripika ny fahasimban'ny fiangonana ao Santiago [14].

Naka ity lahatsary manaraka [15] ahitana ny fidabohan'ny lavarangana amin'ny tilikambon'i Bilbao any Las Condes manodidina an'i Santiago ity ny mpampiasa YouTube Franciso Vivallo Sainz:

Efa misy sahady moa ny fanairana mety hisian'ny tsunami [16] navoakan'ny Ivotoerana mpamantatra ny mety hisian'ny tsunami any amin'ny babandranomasin'i (Oseana) Pasifika.

Eduardo Avila [17]