- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egipta: Nofoanan'ny Fitsaràna ny sazin'ilay mpitoraka blaogy Wael Abbas

Sokajy: Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Wael2

Noafahan'ny fitsaràna Egiptiana ilay mpitoraka blaogy Wael Abbas [1] rehefa nahazo sazy enim-bolana [2] avy amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany. Tamin'ny volana Novambra no navoaka ny didim-pitsarana taorian'ny tsy fifanarahana nisy teo amin'i Abbas sy ny mpifanolo-bodirindrina aminy sy i Ahmed Maher Aglan ary ny rahalahiny manamboninahitra polisy Ashraf Aglan tamin'ny volana Aprily 2009, noho ny resaka fidirana amin'ny aterineto. Notafihan'ireto mpirahalahy ireto ny tranon'i Abbas, nompain'izy ireo sy nodarohiny dia avy eo nendrikendrehina izy ho nanimba “câble” aterineto.

Nanome fiarovana araka ny voasoritry ny lalàna [3] ho an'ilay mpitoraka blaogy Egiptiana ny Tambajotran'ny Arabo miaro ny zon'olombelona [4] (ANHRI). Iray andro mialohan'ny fitsaràna dia nanoritra iny fanenjehana iny ho ‘tranga noforonina’ ny ANHRI ary miantso firaisan-kina amin'i Wael:

Fantatra fa efa ho roa taona mahery izao no nitadiavana izay hanenjehan'ny Ministeran'ny Atitany sy ireo olona feheziny an'i Wael Abbas noho ny finiavany hamoaka tsy an-kiato ireo antsoina hoe “horonan-tsary fampijaliana”. Efa imbetsaka ny manampahefana maromaro no efa nanano farimbona tamin'i Abbas tsy kivy tamin'ny fanenjehana

Tamin'ny didim-pitsarana navoaka tamin'ny 18 Febroary 2010, ny Reporters without Borders [5] no nandray tamin-kafaliana azy ity ho ‘fandresena':

Fandresena ho an'ireo mpampiasa aterineto izay maneho hevitra an-kalalahana amin'ny aterineto ity ary faharesena ho an'ny governemanta sy ny tetika fandrahonana amin'ireo mitsikera azy…Ankehitriny isika manao antso mba hanomezana rariny ho an'ilay mpitoraka blaogy Kareem Amer, izay efa nanefa ny roa ampahatelon'ny saziny tany am-ponja ary tokony afahana tsy misy fepetra.

Mpitoraka blaogy sy mafana fo maro no nanatrika ny fitsaràna natao tany Hadayq El Kobba any Caire, izay nanao akanjo misy ny sarin'i Abbas, mba anehoana ny firaisan-kina aminy. Notaterina mpitoraka blaogy sasany tamin'ny Twitter [6] koa ny fizotry ny fitsaràna.

Wael-tshirt

Mpitoraka blaogy sy mafana fo Egiptiana tao amin'ny fitsaràna, nanao akanjo misy ny sarin'i Abbas.

Ireo sary roa miaraka amin'ity lahatsoratra ity dia avy amin'ilay mpitoraka blaogy Shahinaz Abdel Salam [7]