Namoaka ny tetikady (doctrine) miaramila vaovao[RUS] (hitanao ato ny dika amin'ny teny anglisy) hampiharina mandritra ny folo taona indray i Rosia tamin'ity volana febroary ity. Na dia tsy misy filazana mivantana ny resaka fiarovana an-tserasera na resaka aterineto mivantana aza io dosie io, dia miresaka momba ny endrika fifampitam-baovao ao anaty resaka fiarovam(-pirenena), izany hoe raha faritana, dia mampiditra resaka aterineto, ny HAJ (haino aman-jery) ary ny fiarovana an-tserasera.
Nivoaka voalohany indrindra folo taona lasa izay ny dosie tsy mbola voampirina momba ny fiarovam-baovao dia ny tetikady (doctrine) izany. Mampahafantatra antsika ny anjara toeran'ny vaovao avy amin'ny fijery anaty fiarovam-(pirenena) ity dosie amin'izao fotoana izao ity. Mety azo ampiharina amin'ny adihevitra momba ny fiarovana an-tserasera sy ny aterineto tsara, ary ireo sehatra fifampitam-baovao samihafa (ohatra: ny HAJ be mpanaraka sy be mpamaky).
Hahitana ireo andininy mifandraika fiarovam-baovao ao amin'ny fampianarana (na tetikady na foto-pisainana na doctrine araka ny soratako mahazatra eto ihany) ny miaramila rosiana ity dikan-dahatsoratra ity. Hanadihady ihany koa anefa ilay fampianarana raha tarafina amin'ny adihevitra momba ny fiarovana an-tserasera sy ny aterineto.
4. Военная доктрина отражает приверженность Российской Федерации использованию политических, дипломатических, правовых, экономических, экологических, информационных, военных и других инструментов защиты национальных интересов Российской Федерации и интересов ее союзников.
Manaiky ny fikasana anatin'i Rosia amin'ny fepetra raisiny eo amin'ny sehatry ny famoahana na fanangonam-baovao hiarovana ny tombotsoan'ny fireneny sy ireo mpiara-dia aminy io andininy fahaefatra io.
Mamaritra ny loza tahaka izao kosa indray ny andininy fahasivy amin'ilay dosie, “Ireo loza miaramila mitatao ao anatiny” (Основные внутренние военные опасности):
в) дезорганизация функционирования органов государственной власти, важных государственных, военных объектов и информационной инфраструктуры Российской Федерации.
Ny andininy faha-12 dia manonona ireo endrika adi-miaramila maoderina(Характерные черты современных военных конфликтов):
а) комплексное применение военной силы и сил и средств невоенного характера
г) усиление роли информационного противоборства
g) Fanamafisana ny andraikitry ny fampitahana na fampiadiam-baovao
Mamelabelatra ny endriky ny adim-baovao ny andininy faha-13 amin'ny tetikady. Mamaritra ny toetran'ny ady maoderina izy io (Особенности современных военных конфликтов)
г) заблаговременное проведение мероприятий информационного противоборства для достижения политических целей без применения военной силы, а в последующем – в интересах формирования благоприятной реакции мирового сообщества на применение военной силы.
Mametraka ny lisitry ny tanjon'ny Federasionan'i Rosia eo amin'ny fandresendahatra sy fisorohana ny ady miaramila ny andininy faha-19 (Основные задачи Российской Федерации по сдерживанию и предотвращению военных конфликтов). Ny tanjona voalohany moa araka ny dosie dia:
а) оценка и прогнозирование развития военно-политической обстановки на глобальном и региональном уровне, а также состояния межгосударственных отношений в военно-политической сфере с использованием современных технических средств и информационных технологий;
Mamarina ny laharam-pahamehana eo amin'ny rafitra ara-miaramila ny andininy faha-30 (Основные задачи развития военной организации):
к) совершенствование системы информационного обеспечения Вооруженных Сил и других войск;
Manome ny andraikitra amin'ny fampitaovana ara-miaramila sy fitaovana manokana ho an'ny tafika sy ny vondro-tafika hafa ny andininy faha-41 (Задачи оснащения Вооруженных Сил и других войск вооружением, военной и специальной техникой):
в) развитие сил и средств информационного противоборства;
г) качественное совершенствование средств информационного обмена на основе использования современных технологий и международных стандартов, а также единого информационного поля Вооруженных Сил и других войск как части информационного пространства Российской Федерации;
g) Fanatsarana ny fifanakalozam-baovao amin'ny alalan'ny fampiasana teknolojia maoderina sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, ary koa ny sehatra ifanakalozam-baovao manokana eo amin'ny tafika sy ny vondro-tafika hafa ho ao anatin'ny tontolom-baovaon'i Rosia
Fanadihadiana:
- Manasongadina ny maha-zava-dehibe ny tolona amin'ny famoahana sy fanangonam-baovao ao anatin'ny ady maoderina ity tetikady ity (mety hifandraika amin'ny fiarovana an-tserasera sy izay endri-baovao hafa izany)
- Mampanakaiky ny adim-baovao miaraka amin'ny fiantraikany eo amin'ny hevitry ny olona ankapobeny sy ny anjara toeran'ny fihevitry ny olona eo amin'ny fahafahana mitondra ny fidirana an-tsehatry ny miaramila ny Tetikady. Vokatr'izany dia azo jerena ho ao anatin'ny tetikady fampanaovana fanafihana ny miaramila sy dingana voalohany amin'ny fidiran'ny miaramila an-tsehatra (hanao operation) ny fiantrikany eo amin'ny fihevitry ny ankapoben'olona.
- Mametraka tanjona hampivelarana ny herin'ny adim-baovao ka tafiditra amin'izany ny fahafaha-manafika ny tetikady (ny tatitra nataon'ny McAfee vao haingana moa dia mametraka an'i Rosia ho iray amin'ny firenena afa-manao fanafihana an-tserasera manampy isa an'i Etazonia, Shina, Frantsa ary i Isiraely)
- Faritan'ny tetikady ho ao anatin'ny tanjona haha-maoderina ny hery miaramila ny (fampidirana azy ho) ao anatin'ny sehatra fanangonana sy fandraisam-baovao any Rosia.