Araka ny fitantaran'nyNew York Times vao haingana ilay nolazaina ho ‘Operation Aurora’, izay namely ny Google sy ireo vondronorinasa tandrefana 33 farafahakeliny dia noheverina ho niainga avy tamina Anjerimanontolo Shinoa. Ny iray amin'ireo ‘Anjerimanontolo’ ireo raha ny tena marina dia sekoly fampianarana asa mampalahelo kely sokajy fahaefatra any avaratr'i Shina. Ny anaran'izany sekoly izany moa dia Kolejy Mandroso fampianarana asa eto Shandong Lan Xiang, izay manofana teknisiana manamboatra fiarakodia aloha hatreto.
Ny tena nahatalanjona ny tontolon-tserasera Shinoa dia tsy any amin'ilay hoe nohamarin'ny lahatsoratra ny fiampangan'ny Google loatra fa dia hoe na dia sekoly (tsy dia manao ahoana loatra) tahaka ny any Lan Xiang ve no hahavita fanafihana arifomba tahaka ireny. Manombana ny maro fa nibitaka mihitsy izay ny mpitantana any Lan Xiang rehefa ny sekoly no nakarin'ny dokambarotra avy amin'ny (gazety) kalaza manerantany tsy nandoavana ariary tahaka ireny. Ireto manaraka ireto ny sasantsasany tamin'ny hevitra notsongaina tao amin'ny QQ.com
找工作,到蓝翔!
山东蓝翔技工学校学生水平竟然超过老美电脑专家吗?
给山东蓝翔高等技工学校做了免费广告了!
你就不能说个清华北大之类的?说个山东蓝翔,美国人面子也算丢尽了,中国一所职业技术院校学生可以随意攻击国际一流搜索引擎,中国NB了。
Tonga mandokandoka ao amin'ny Takelam-pitantanana ny tanànan'i ao amin'ny Baidu.com ny avy amin'ny lafivalo. Fahita mahazatra ho fiarahabana ny hoe “Miarahaba anareo any Lan Xiang ny solontenan'ny mpianatra Shinoa avy eto amin'ny Anjerimanontolon'i Kyoto” sy ny hoe “Mandefa ny fiarahabana (ho anareo) ny Anjerimanontolon'i Nanjing momba ny Aeronôtika sy ny Asthronôtika”.
Nanjary nahavitana sora-panesoesoana tsara petrapetraka ihany koa ny tantara:
望而却步的美国人,借攻击谷歌事件污蔑我国第一名校,企图降低我校在国际上的地位。蓝翔技校发言人对此表示,虽说该校学生 已经具备攻克美国政+府网站的能力,但该校管理严格,学生素质甚高,更重要的是,学生正在攻克艰深的科学研究,不会浪费时间攻击一个普通的互联网搜索网 站。
Na eo aza ireo fanesoesoana rehetra ireo, dia hahavita zavatra tahaka izany tokoa ve ny ao Lan Xiang? Ny fijerena ny zavamisy voasoratra talohan'ny lahatsoratry ny New York Times ao amin'ilay vohikalan'ny tanàna ihany dia ahatarafana fa sekoly ‘fozaorana’ (ordinaire) ny any Lan Xiang!
学习方面:理论多实习少且设备陈旧,好的紧供参观,(勿动嗷要罚款的)~收费方面:学费一次付清,学校出理不掉的东西强买强卖,杂费不断,没发票~火食方面:食堂混乱吃饭不便,想吃得没有,就大锅饭,比监狱还操蛋
老子也是那来毕业的,那个烂学校我都没法说了。就会骗钱。
Misy ve ny porofo mazava ahafahana miampanga ny any Lan Xiang? Ankoatra izany, hisy fiantraikany amin'ny toe-tsaina nasionalista niakatra tampoka tany Shina ve izany porofo izany? Tsy maintsy miandry isika ijerena izay fiafaran'ny tantara.
1 hevitra