Shina : horonantsary fohy maneso ny sivana amin'ny aterineto

Nahatontosa horonantsary fohy vaovao iray enti-mitsikera ny sivana amin'ny aterineto any Shina ilay mpamokatra horonantsarimihetsika tsy matihanina, Hu Ge . Tahaka ireny horonan-tsary fanadihadiana izay maharitra 7 minitra mahery eo, mitondra ny lohateny hoe ‘Tontolon’ny biby: Ny biby miaina an-trano‘ ka nahasarika olona an-hetsiny sahady izany tao anatin’ny andro vitsy monja. Asehon'ilay horonan-tsary amin'ny mpijery moa ny mody lazainy hoe ‘Ny biby miaina ao an-trano’, izay tsy iza fa ireo Sinoa miisa ampolo tapitrisany izay mpikirakira ny aterineto.

宅居动物的外形酷似人类,长着人类那样大大的眼睛和耳朵。他那奇特的生活方式至今还让人们叹为观止。表面上他们各自为阵、 互不往来,但实际上他们通过一种叫网络的东西,互相联系。

Mitovitovy bika amin'olombelona amin'ny maso sy sofina ngezabe ireo biby miaina an-trano. Mahafinaritra sy mahaliana olona maro ny toe-piainan’izy ireo miavaka, eny fa na dia amin’izao fotoana izao aza.  Ety ivelany izy ireo dia tsy mifampiresaka mivantana fa misaratsaraka tahaka ny hoe samy manana ny fiainana. Nefa misy zavatra ifaneraseran'izy ireo akaiky hatrany : aterineto.

对于其他动物而言,幽深的网络往往难以捉摸。这里充满的各种危险。在地球上,没有比神秘的互联网更可怕,更不利于生物生存 的地方了。但是,对于宅居动物来说,这里,却是天堂。

Ho an’ ny karazam-biby hafa ny aterineto dia hitany ho toerana toerana lalina sy tsy hita noanoa, toerana feno ny karazan-doza rehetra. Ao amin’io planeta io dia tsy misy zavatra hafa izay tena mampatahotra indrindra sy mahafaty ankoatra ny aterineto.
Etsy andaniny indray kosa ho an’ireo biby maina an-trano dia tahaka ny paradisa ny aterineto.

Ilay horonan-tsary dia mampiseho karazana sehatra ampiasana ny aterineto. Ohatra, mahita ‘biby vavy iray monina an-trano’ izay mitantana sy mampandeha ny orinasa tsy miankina iray fanenonan-damba amin'ny alalan'ny fampiasana ny solosainy mandritra ny andro isika; Etsy ankilany kosa ny  lahy, miezaka mambabo izay mety ho sipany amin’ny fampisehoana habokonan’ny hozatra manoloana ny fakantsary eo amin’ny solosaina ary amin'ny toeran-kafa ny lahy iray indro milalao internet fa miboridana anatin’ny bodofotsy.
Ao anatin’ity horonan-tsary ity, ny ‘olombelona’ dia aseho tahaka ny endrika raiamandreny, miaro miaina an-trano amin’izay mety ho fitaovana tsy mahasalama ao amin’ny aterineto.

曾有一度,网络上的色情,和不良信息,使他们的身心受到了伤害,但现在,他们受到了来自人类的无微不至的关怀和保护。

Indray andro ary dia nisy riaka-na sary mamoafady sy vaovao tsy mahasalama nieli-patrana tao amin’ny aterineto, ary nanimba ny saina sy ny vatan'ny biby miaina an-trano izany. Fa amin’izao fotoana izao kosa dia henoina sy voakarakara ary mahazo fiarovana avy amin'ny ‘olombelona’ ry zareo.
Aseho izany ‘fikarakarana sy fiarovana’ izany rehefa misy biby miaina an-trano iray mitomany, raha eo ampankafizana sehatra iray misy herisetra izay notsongaina tamina horonan-tsary Hero ka tapaka izany fa nisolo hafatra fampitandrema teo amin’ny efijery.

Aseho ao amin'ny horonantsary ho tahaka ilay ‘biby miaina an-trano’ tratran'ny aretina ‘Fikorontanan-tsaina mandrebireby’ ilay mpitoraka blaogy fanta-daza amin’ny fitsikerana ny mpitondra Han Han.

思考强迫症,是一种普遍存在于宅居动物中的疾病。这只雄性每天都要花大量的时间去思考各种各样的问题。这种病,不但具有极 大的危害性,而且,还具有一定的传染性。因此,人类采取了一切可能的措施,来保护这些可爱的小动物。

Fikorontanana hita amin'ny ankapoben'ny biby miaina an-trano ny Fikorontanan-tsaina mandrebireby. Ohatra izao ity lahy (Han) mandany ny androny manontolo mieritreritra izao karazam-panontaniana rehetra izao isan'andro. Tsy vitan'ny hoe mampahadala io aretina io fa mora mifindra aoka izany. Soa ihany, fa efa naka ny fepetra rehetra hiarovana ny biby mahafatifaty hafa rehetra amin'ity karazana aretina ity ny olombelona.

Hitantsika ao amin`ity horonan-tsary ity i Han izay vao avy nanoratra tao amina blaogy, saingy miantona mandrakizay eo amin`ny dingana mila fanitsiana izany ka mampivìka tanteraka ny solosainany. Fa mbola ratsy kokoa noho izany no nihatra tamina biby miina an-trano lahy iray hafa, taorian`ny nahavitany ny lahatsoratra dia nisy andiana mpitandro filaminana niditra tao amin`ny efitranony ka nisambotra azy.

Misy itovizany amin'ny horonantsarimihetsika tsy matihanina mitondra ny lohateny hoe Ny ady amin`ny fiakinandoha amin`ny internet (War of Internet Addiction) noho ny fandrarana ilay kilalao vidaka World of Warcraf (Tontolon'ny vitan'ny ady). Fa saingy ho an`olona maro dia tahaka ny fanoherana matanjaka ny fanaraha-maso amin`ny ankapobeny izany ka nahasarika mpijery miisa an-tapitrisany. Hatramin`izao dia mahavariana fa mbola tsy tratran'ny sivana ireo horonantsary roa ireo ao amin'ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.