- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Però: Sekoly Ambony vaovao ho an'ny mpianatra tena sangany

Sokajy: Amerika Latina, Però, Fanabeazana, Tanora

Tany amin'ny fanombohan'ny taona 2009 tany ny filoha Peroviana Alan García no nanambara ny fananganana [1] ny Sekoly Ambony Filohan'i Però [es] [2] aorina any Huampaní, tokony ho 25 km atsinanan'i Lima (renivohitra). Tetikasam-panabeazana [3] (mitady voninahitra) hampidirana ny mpianatra 500 mahay indrindra avy amin'ny sekoly 47 tsara indrindra manerana ny firenena izy ity. Ireo izay tafiditra amin'ity sekoly ity moa dia handrato fianarana mandritra ny roa taona hotarihin'ny sasany amin'ireo mpampianatra mahay indrindra sy fampitaovana isankarazany.

Amin'ny alalan'ny fifaninanana no hidirana ao, ary efa havoaka moa izao ny valim-panadinana amin'izany. Na izany aza dia misy ireo niahiahy tamin'ny fomba fahazoam-baovao ho amin'ny fisoratana anarana. Ohatra amin'izany i  Saravia avy amin'ny bolongana Autoeducación Digital [es] [4] izay nanana ahiahy [5] teo amin'izany fisoratana anarana izany:

Un capricho presidencial como lo llamamos desde el inicio a la creación del Colegio Mayor se ve envuelto en algo que de haber sido transparente su concepción y proceso, se hubiera evitado. Desde el inicio, el Prospecto costó mucho “bajarlo” de internet por la forma cómo había sido diseñado. El Lima, tal vez quienes tienen internet en su casa, fue fácil, pero quienes recurren a cabinas, tuvieron que gastar varios soles para bajar el Prospecto como para imprimirlo. ¿Se imagina cómo sería en provincias?

Aingitraingitry ny filoha, hoy isika tany amin'ny fanombohan'ny fananganana ity Sekoly Ambony ity, ary tokony ho azo nidifiana hay ny fitadiavana izay tokony ho nangarahara taminy hatrany amin'ny famolavolana sy ny fombafomba hidirana aminy. Voalohany aloha, sarotra dia sarotra ny  “nisintona” ny taratasim-pampahalalana (fisoratana anarana) ny mombamomba azy tamin'ny aterineto, noho ny fomba nandrafetana azy. Raha any Lima angamba dia mora ny nahazo azy ho an'ireo izay manana aterineto any an-tranony, fa ho an'ny sarambambem-bahoaka mampiasa ny fahazoana miserasera ho an'ny daholobe kosa dia tsy maintsy mandany soles (vola Peroviana) vitsivitsy mba hisintonana ny taratasy mba hanontana azy. Mba azonao eritreretina ve izany ny mety ho fandehany any amin'ny faritany any?

Ankoatra izany i Pedro Martínez avy ao amin'ny bolongana El Arte de Enseñar [es] [6] dia mametraka ny ahiahiny eo amin'ny lafiny maha-ara-dalàna ny fombafomba natao, satria manko sekolim-panjakana ilay Sekoly Ambony:

Según la Ley no está permitido que los colegios seleccionen o discriminen con evaluaciones el ingreso de los estudiantes y si se va a escoger a los mejores alumnos de segundo año de secundaria de las instituciones educativas a nivel nacional a través de exámenes sicológicos y académicos, entonces se requerirá un régimen legal excepcional.

Araka ny voalazan'ny lalàna dia tsy mahazo mifantina na manavakavaka amin'ny fampidirana mpianatra amin'ny alalan'ny fitsapa-pahaizana ny sekoly, koa raha mifantina ny mpianatra mahay manerana ny sekoly ambaratonga faharoa manerana ny firenena ry zareo amin'ny alalan'ny fitsapana akademika sy saikolojika, dia tokony hisy ny lalàna manokana ho amin'izany.

Fa faly amin'ity fombam-pampianarana vaovao ity kosa ny Peroviana sasany, ary miresaka izany ao amin'ny Peru 21 [es] [1] i Arturo:

Estupenda idea. En un mundo cada vez más competitivo necesitamos inculcar en nuestros escolares brillantes el deseo de superación (tal olvidado hoy en nuestro país) y de competitividad. El derecho a la educación gratuita está garantizado para todos, pero es de justicia que los mejores alumnos de todo el país también tengan las mismas oportunidades para desarrollarse y desarrollar el Perú. Ojalá que la currícula no sólo esté dirigida a “informar” sino a una completa “formación”: intelectual, física y espiritual.

Hevitra tena tsara. Ao anatin'ny tontolo izay mihamanjaka ny fifaninanana, dia ilaintsika ny mampirisika ireo mpianatra mamirapiratra hanana faniriana handresy (zavatra toa adino eto amin'ny firenentsika) sy hahasahy hiatrika fifaninana. Voaantoka ny zon'ny rehetra hahazo fampianarana maimaipoana, fa tsara raha raha mba mitovy ny sehatra ho an'ny mpianatra sangany hahafahany mampivelatra ny tenany sy mampandroso an'i Però. Manantena fa tsy hiorina amin'ny “fampahalalana” ny fampianarana fa amin'ny alalan'ny “fampivelarana” ny saina, ny toe-batana ary ny fanahy.

Koa satria moa hanomboka amin'ny 1 marsa ho avy izao ny fotoam-pianarana vaovao dia nanambara [7],ny anaran'ny mpianatra nahazo ny naoty ambony indrindra ny tmedia [es] [7] . Ny anaran-drazazavavy dia Yazmín Lazo Cahui [es] [8], 14 taona izy ary mipetraka any Arequipa. [9]

Eo amin'ny fombam-pampianarana Peroviana moa ny naoty ambony indrindra mety ho azon'ny mpianatra iray dia 20 fa i Yazmin kosa dia nahazo salanisa 17.5. Fahatelo ny nisy azy teo amin'ny fanadinana an-tsoratra, fa tena tsara dia tsara tokoa ny nosoratany momba ny fitomboan-kafanana amin'ny ankapobeny syny fiantraikany eo amin'ny fiainana andavanandro ka nahazoany ny isa ambony indrindra.

Nahafaly ny ankapoben'ny olona nanerana ny firenena ny nandrenesana fa i Yazmin, ilay nahazo ny isa ambony indrindra, dia zanaka mekanisiana sy mpikarakara tokatrano noho ny elanelana eo amin'ny fampianarana ny lahy sy ny vavy any Però. Mahazo ny 17,5% ny vehivavy any manko ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra,  raha 6,1% fotsiny izany ho an'ny lehilahy, araka ny filazan'ny [10] vohikalan'ny hetsika mpiaro ny vehivavy  Flora Tristán [es] [11].

Ankoatra izany ireo nahazo ny laharana faharoa sy fahatelo dia mbola zazavavy ihany: Wendy León Espinoza sy Pamela Rojas Huamanlazo ka samy nahazo salanisa 17 avy izy ireo. Izy telo mirahavavy ireo, sy ny mpianatra afa-panadinana hianatra ao amin'ny Sekoly Ambony Filohan'ny Però dia hifindra any amin'ny sekoly vaovao avokoa manomboka ny 26 Febroary izao.

Gabriela García Calderón [12]