- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Miorina ny Cyber-tafika Islamika

Sokajy: Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Saripika, Teknolojia, Zon'olombelona

Matetika ny aterineto no lazaina ho sehatra ifampiresahana sy ifanakalozan-kevitra amim-pilaminana, saingy rehefa any Iran kosa, nivadika ho lasa karazana “ady an-tserasera” ny fifandirana ara-politika hany ka izay hary fitaovana matanjaka any dia mampangina ny fahalalaham-pitenenana.

Indreto tononina etsy ambany ny paikady telo – nahomby na nandamòka – izay antsoinay hoe fivoaran'ady eto amin'ny aterineto.

irca

Sovoka (piratazy) ara-politika

Iray amin'ireo mpitolona Islamika amin'ny fisovohana an-tserasera nipoitra taorian'ny fifidianana tamin'ny Jona 2009 [1] lasa teo ny Iranian Cyber Army [2] (Cyber-tafika Iraniana). Ity vondrona mpisovoka [3] ity angamba no mahery indrindra amin'ny an-dry zareo Iraniana na amin'ny mpitolona Islamista manana fifandraisana amin'i Iran eto amin'ny aterineto. Nahombiazana tokoa ry zareo tamin'ny vohikala nokendren-dry zareo tamin'ny firenena maro, manaporofo fa tsy manan-tsisintany tokoa ny aterineto, ary asehony fa na dia ny vohikala fanta-daza aza moramora amin'ny mpanafika tsy fantatra ny miditra aminy.

Efa mihoatra noho izay fikendriny mahazatra toy ny vohikala mpamoaka vaovao tsy miankina tahaka ny Zamaneh [4] na ny an'ireo mpanohana ny hetsika maitso tahaka ny Jaras [5] sy ny Kalameh [6] voan'ity tafika ity. Tamin'ny 18 Desambra 2009 dia voadaboky ry zalahy ny famahanam-bolongana fohy iraisam-pirenena Twitterr. Io tolotra io manko no fampiasan'ny mpanohitra Iraniana hametrahana lohatenim-baovao [7]. Ity hafatra [8] manaraka ity no napetrak'ilay vondrona nandritra ny ora iray namaharany tamin'ny Twitter hampisehoany ny foto-keviny:

THIS SITE HAS BEEN HACKED BY IRANIAN CYBER ARMY iRANiAN.CYBER.ARMY@GMAIL.COM

U.S.A. Think They Controlling And Managing Internet By Their Access, But THey Don't, We Control And Manage Internet By Our Power, So Do Not Try To Stimulation Iranian Peoples To….

NOW WHICH COUNTRY IN EMBARGO LIST? IRAN? USA?

VOASOVOKY NY CYBER-TAFIKA IRANIANA iRANiAN.CYBER.ARMY@GMAIL.COM ITY VOHIKALA ITYMieritreritra i Etazonia fa ry zareo no mifehy sy mandritra ny aterineto saingy tsy izany no izy, Izahay no mifehy sy mandamina ny aterineto amin'ny herinay, Ka aza manery ny vahoaka Iraniana ho….
KA IZA NY FIRENENA ATAO ANKIVY? IRAN? ETAZONIA?

Ao amin'ny vohikalany no hametrahan'ny [9] Cyber-tafika Iraniana hafatra sy fampitandremana maro, ka ilazany koa fa tsy misy fiarovana tsara ho an'ny vohikala sy ny bolongana Iraniana velively ny servers vahiny; fa ho avoakany ho hitam-bahoaka ny mombamomba ny tompon'ny vohikala; ary dia nomeny fampitandremana manokana ny vohikala mpanohana ny hetsika maintso Mowjcamp [10]. Farany, nampitandrina izy ireo fa ny fanafihana virtoaly no dingana voalohany, saingy mbola tsy mieritreritra ny amin'ny dingana manaraka izy ireo.

Noho ny antony tsy fantatra mazava moa dia efa nosovohan'ny [11] Cyber-tafika Iraniana ihany koa ny mili-pikarohana shinoa, Baidu [11] tamin'ny Janoary 2010. Maro ny mpaneho hevitra an-tserasera no nihevitra fa noho ny fanohanan'ny mpiserasera Shinoa ny Hetsika maitso Iraniana no anton'izany.

Tetikasa famahanam-bolongana nandamoka

Nanao fanambarana manan-tantara ny mpiandry revolisionera islamika [12] (IRGC) tamin'ny faran'ny taona 2008 fa hanangana bolongana 10 000 [13] ho fanohanana ny milisy Basij [14]. Araka ny famoaham-baovao ofisialin'ny mpiandry revolisionera Sobh Sadegh dia heverin'ny IRGC ho fitaovam-piseraserana mampidi-doza ka mila arahi-maso ny aterineto sy ny SMS amin'ny finday. Nambara tamin'izany fa enti-manohana ny hevitra revolisionera ireo bolongana 10 000 ireo. Heverin'ny IRGC fa fitaovana ho amin'ny  “revolisiona volory” [15] (fanonganam-panjakana amin'ny alalan'ny hetsika tsy manao herisetra ataon'ny hery vahiny) ny aterineto ary nampitandreminy ny firenena fahavalo izay efa nampiasa vola hanonganana ny fitondrana islamika. Tsy tafavoaka moa ilay tetikasa, fa saiky io no tetikasam-bolongana mitolona goavana indrindra.

Fikarohana mombamomba ny mpivorivory

Nahatafika [16] (nahasovoka) vondrona izay nanangana vohikala manohitra ny rafitra islamika na vohikalam-betaveta ny IRGC tamin'ny marsa 2009. Nandritra izany fotoana izanyny IRGC dia nanangana vohikala antsoina hoe Gerdab [17] (midika hoe ‘ranomody’ na ‘tadio’) izay amoahan-dry zareo ny sary sy ny mombamomba ireo olona voasambotra. Nandritra ny fihetsiketseham-panoherana taorian'ny fifidianana  2009, ny Gerdab no namoaka ny sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana [18], ary miangavy ny olona hanampy amin'ny famantarana azy ireo. Nampiasa ny fampandraisana anjara ny besinimaro [19] amin'ny tontolo virtoaly izany ny mpitolona islamista hahazoany vaovao momba ny olona tena misy.

Misy toetra itovitovizana ihany ao amin'ny Cyber-tafika Iraniana sy ny Gerdab, saingy tsy misy porofo mazava amin'ny fomba ofisialy fa misy ifandraisan'ny roa tonta. Nilaza indray maka [20] ny famoaham-baovao/fanaovana propagandy ofisialy IRNA fa tetikasan'ny IGRC ny Cyber-tafika Iraniana, saingy tsy nohamafisina intsony izany filazana izany avy eo. Tsy fantatra hoe iza ireo mpisovoka ireo na ny toerana misy azy fa ny hita aloha dia ny “vohikalan'ny mpanohitra Iraniana” no tena kendreny.

Mpamaham-bolongana roa izay niangavy ny tsy ilazana ny anarany no nametraka fa mety miorina any Shina na ampian'ny mpisovoka shinoa ity Cyber-tafika Iraniana ity, ary ny namelezana ny Baidu dia fikafika famitahana fotsiny.

Tapaka ny fifampiresahana

Ny mba nofinofy amin'ny aterineto moa dia ny mba haha-tontolo virtoaly ahafahan'ny islamista sy ny tsy islamista miresaka fa tsy mifanafika. Nisy fotoana fohy ihany mba nitranga izany. Ohatra, indray mandeha tokony ho telo sy tapany taona lasa izay, dia niady hevitra an-tserasera ny mpanohitra sy ny mpanohana ny ilàna maritiora [21] ny mpamaham-bolongana islamista sy tsia Iraniana.  Ankehitriny, ny misongadina eo amin'ny roa tonta dia ny hifamono na virtoaly io na anatin'ny fiainana andavanandro.

Mba tsy hisian'ny fitongilanana no hanamarihana fa mitovy ihany koa ny teti- panafihana ataon'ny mpiara-dia amin'ny mpanohitra iraniana. Misy vondrona miantso ny tenany ho Cyber-Tafika Maitso [22] koa namely ny vohikalan'ny milisy Basij (moghavemat.ir [23]) tamin'ity taona 2010 ity ary efa nandrahona ny hafa ihany koa; Maro ihany koa ny mpamaham-bolongana no mamoaka ny sarin'ireo heverina [18] ho mpitandro ny filaminana mpitsikilo; ary toy ny asa andavanandro izany vohikalam-panjakana isovohan'ny vondrona tsy fantatra anarana izany.

Ny voa amin'izany fihetsiketsehana rehetra izany moa dia tsy ny vohikala voasovoka ihany, fa ny herijikam-pifandraisana sy fifankahazoana bebe kokoa eo amin'ny samy mpiserasera iraniana.