- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampiseho ireo hitsara amin'ny fifaninana Breaking Borders momba ny fahalalahana miteny ny Global Voices sy ny Google

Sokajy: Fahalalahàna miteny

Ny Breaking Borders [1] dia loka vaovao noforonin'ny Google [2] sy ny Global Voices [3] ary tohanan'ny vondrona Thomson Reuters [4] mba hanomezam-boninahitra ireo tetikasa tsara indrindra ataon'olo-tsotra na fikambanan'olona nampiseho fahasahiana, fahavitrihana ary fahatsilovan-tsaina amin'ny fampiasana aterineto ho fampiroboroboana ny fahalalahana amin'ny alalan'ny tranonkala.

Faly izahay mampahafantatra ireo mpitsara amin'ity fifaninanana ity. Misy ao anatin'ireo mpitsara ireo no manampahaizana manokana sy mpitari-dalana amin'ny fahalalahana miteny, fanaovan-gazety, mpikirakira resaka nomerika, avy amin'ny vondronasa miompana amin'ny teknolojia, ary manana solontena ao avokoa ny faritra maneran-tany. Ireto avy ary ireo mpitsara ireo:

Sheila Coronel, Talen'ny ivontoerana Stabile momba ny fanaovan-gazety fanadihadiana, Profesora amin'ny fampiasana matihanina avy amin'ny sekolin'ny fanaovan-gazety anjerimanontolon'i Columbia

Jose Roberto de Toledo, Mpandrindra momba ny tetikasa sy ny fiofanana, ao amin'ny fikambanana Breziliana amin'ny fanaovan-gazety fanadihadiana (ABRAJI); Talen'ny PrimaPagina

Edetaen Ojo, filohan'ny fahafahana iraisam-pirenena amin'ny fifanakalozana miteny, Talen'ny Media Rights Agenda

Dean Wright, Tonian'i Global, Fenitry ny etika sy fanavaozana ary ny vaovao, Reuters

Rebecca MacKinnon, mpiara-manorina ny Global Voices; Mpampianatra tsy raikitra ao amin'ny Ivotoerana ho amin'ny teknolojian'ny fanomezam-baovao, Anjerimanontolon'i Princeton

Robert Boorstin, Talen'ny politikam-pitantanana ao amin'ny Google

Misokatra ho an'ny firenen-drehetra ny fifaninanana Breaking Borders. Hotsongain'ny manampahaizana manokana momba fahalalahana miteny ireo mpandresy. Vola mitentina $10 000 tolobotsitra no hozaraina isak'ireto sokajy telo ireto:

1. Solovava, atolotra olona na fikambanan'olona mampiasa fitaovana an-tserasera hampandrosoana ny fahalalahana miteny na mampirisika fiovam-politika

2. Teknolojia, atolotra olona na fikambanan'olona izay namorona fitaovana tena ilaina ho amin'ny fampandrosoana ny fahalalahana miteny sy manamora ny fahazoam-baovao

3. Politika, atolotra mpanapa-kevitra politika iray, mpikambana amina governemanta na lehibena ONG izay nahavita fampandrosoana azo tsapain-tanana amin'ity sehatra ity

Hita ao amin'ny http://breakingborders.net [1] ny fisoratana anarana sy fanazavana fanampiny momba ny fifaninanana Breaking Borders ary nikatona tamin'ny 15 Febroary 2010 [indrisy].

Maneho ny fahafaliany [5] amin'ny fikarakarana ity fifaninanana ity ny Global Voices. Raha manam-panontaniana ianao dia afaka mametraka izany ao amin'ny nomination@breakingborders.net.