Mampiseho ireo hitsara amin'ny fifaninana Breaking Borders momba ny fahalalahana miteny ny Global Voices sy ny Google

Ny Breaking Borders dia loka vaovao noforonin'ny Google sy ny Global Voices ary tohanan'ny vondrona Thomson Reuters mba hanomezam-boninahitra ireo tetikasa tsara indrindra ataon'olo-tsotra na fikambanan'olona nampiseho fahasahiana, fahavitrihana ary fahatsilovan-tsaina amin'ny fampiasana aterineto ho fampiroboroboana ny fahalalahana amin'ny alalan'ny tranonkala.

Faly izahay mampahafantatra ireo mpitsara amin'ity fifaninanana ity. Misy ao anatin'ireo mpitsara ireo no manampahaizana manokana sy mpitari-dalana amin'ny fahalalahana miteny, fanaovan-gazety, mpikirakira resaka nomerika, avy amin'ny vondronasa miompana amin'ny teknolojia, ary manana solontena ao avokoa ny faritra maneran-tany. Ireto avy ary ireo mpitsara ireo:

Sheila Coronel, Talen'ny ivontoerana Stabile momba ny fanaovan-gazety fanadihadiana, Profesora amin'ny fampiasana matihanina avy amin'ny sekolin'ny fanaovan-gazety anjerimanontolon'i Columbia

Jose Roberto de Toledo, Mpandrindra momba ny tetikasa sy ny fiofanana, ao amin'ny fikambanana Breziliana amin'ny fanaovan-gazety fanadihadiana (ABRAJI); Talen'ny PrimaPagina

Edetaen Ojo, filohan'ny fahafahana iraisam-pirenena amin'ny fifanakalozana miteny, Talen'ny Media Rights Agenda

Dean Wright, Tonian'i Global, Fenitry ny etika sy fanavaozana ary ny vaovao, Reuters

Rebecca MacKinnon, mpiara-manorina ny Global Voices; Mpampianatra tsy raikitra ao amin'ny Ivotoerana ho amin'ny teknolojian'ny fanomezam-baovao, Anjerimanontolon'i Princeton

Robert Boorstin, Talen'ny politikam-pitantanana ao amin'ny Google

Misokatra ho an'ny firenen-drehetra ny fifaninanana Breaking Borders. Hotsongain'ny manampahaizana manokana momba fahalalahana miteny ireo mpandresy. Vola mitentina $10 000 tolobotsitra no hozaraina isak'ireto sokajy telo ireto:

1. Solovava, atolotra olona na fikambanan'olona mampiasa fitaovana an-tserasera hampandrosoana ny fahalalahana miteny na mampirisika fiovam-politika

2. Teknolojia, atolotra olona na fikambanan'olona izay namorona fitaovana tena ilaina ho amin'ny fampandrosoana ny fahalalahana miteny sy manamora ny fahazoam-baovao

3. Politika, atolotra mpanapa-kevitra politika iray, mpikambana amina governemanta na lehibena ONG izay nahavita fampandrosoana azo tsapain-tanana amin'ity sehatra ity

Hita ao amin'ny http://breakingborders.net ny fisoratana anarana sy fanazavana fanampiny momba ny fifaninanana Breaking Borders ary nikatona tamin'ny 15 Febroary 2010 [indrisy].

Maneho ny fahafaliany amin'ny fikarakarana ity fifaninanana ity ny Global Voices. Raha manam-panontaniana ianao dia afaka mametraka izany ao amin'ny nomination@breakingborders.net.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.