Nanokana rantin-tsary [es] momba ny fifidianana notontosaina tamin'ny 7 febroary 2010 teo ka nahalany an'i Laura Chinchilla ho vehivavy voalohany ho filoha teo ny vondrona mpaka sary Kostarikana antsoina hoe “Nomada Colectivo” (Vondrona Mpivezivezy). Nanaraka ny arabe ity vondrona ity hipika ny zava-nisy nandritra ny androm-pifidianana.
Nanoratra momba ity andro ity tao anatina sombin'asa fampirantiana [es] ity i Jenny Cascante, mpikambana ao anatin'ny vondrona:
Cada cuatro años, a los ciudadanos comunes se nos concede la oportunidad de decidir lo que mejor nos conviene. La fiesta cívica funciona bien como placebo: no existe tal cosa como una buena decisión tomada colectivamente. Los comicios están diseñados para hacer cumplir la voluntad de una mayoría que no nos representa a todos, pero sí a los mismos de siempre. Atravesamos voluntariamente el vía crucis del interés mal logrado, los debates circenses, abstencionismo vrs tradicionalismo… es como un juego de niños coaccionado.
(…)
La democracia es una crayola anaranjada con la que todos queremos pintarnos, pero que a la vez regalamos a cambio de lo que sea. Al final sí hay marionetas: nosotros mismos.
Omena fahafahana manapa-kevitra amin'izay tsara ho antsika ny olom-pirenena tsotra isaky ny efa-taona. Mandaitra tsara tahaka ny “placebo” (saina resy lahatra fa fanafody manasitrana no nohanina) ny adidy ho an'ny firenena: tsy misy tsara tahaka ny fanapahan-kevitra iraisana. Voatondro hametraka ny safidin'ny besinimaro izay tsy misolo tena antsika rehetra ny fifidianana, fa izay ahiahiana araka ny mahazatra. Manolo-tena hanoa izany fomban'ny safidy sarotra azo izany isika, eo an-kianjan'ny adihevitra, fifanandrinan'ny tsy mifidy sy ny manao araka ny mahazatra, tahaka ny lalaon'ankizy tsy maintsy andraisana anjara.
(…)
Tahaka ny pensilihazo miloko laoranjy tiantsika handokoana na aiza na aiza ny demaokrasia, saingy mandritra izany fotoana izany dia avelatsika izay tonga voalohany hanova araka izay tiany. Tratra farany amin'izay izay (natao) ho saribakoly: isika.