Brezila: Rakitsary Campus Party 2010

cpartyLasa Ambohipihaonan'ny mpankafy, manampahaizana ary mavitrika amin'ny resaka aterineto i São Paulo tamin'ny volana lasa teo, nandritra ny Fihaonan'ny Anjerimanontolo (na Campus) Breziliana. Nisy fihaoana momba ny LAN, ny teknolojia, ary ny kolontsaina nomerika tao nanombokany 25 ka hatramin'ny 31 janoary 2010.

CampusPartyMT [pt] moa dia iray amin'ireo bolongana nitatitra ny hetsika. Namoaka sary nandritra ny Campus Party 2010:

Photo brought by Flickr user CampusPartyMT taken by @lucasninno. Used under a Creative Commons license.

Sary tao amin'ny Flickr an'i CampusPartyMT nopihan'i @lucasninno. Ambany fiarovana Creative Commons.

Photo brought by Flickr user CampusPartyMT taken by @crisguse. Used under a Creative Commons license.

Sary tao amin'ny Flickr an'i CampusPartyMT nopihan'i @crisguse. Ambany fiarovana Creative Commons.

Photo by CampusPartyMT used under a Creative Commons license.

Sarin'i CampusPartyMT ambany fiarovana Creative Commons.

Photo brought by Flickr user CampusPartyMT taken by @lucasninno. Used under a Creative Commons license.

Sary tao amin'ny Flickr an'i CampusPartyMT nopihan'i @lucasninno. Ambany fiarovana Creative Commons.

Bloggers of CampusPartyMT. Photo taken by @lucasninno. Used under a Creative Commons license.

Mpamaham-bolongana ao amin'ny CampusPartyMT. Sary nopihan'i @lucasninno. Ambany fiarovana Creative Commons.

Araka ny antontan'isa ofisialy dia nihoatra ny 90 000 ny isan'ny mpitsidika nandritra ny herinandro. Nizara izay niainany ao amin'ny bolongany Notas de Rodapé [pt] i Ana Maria Modesto, iray amin'ny nanatrika ity hetsika ity:

O barato de tudo isso é o contato feito com os palestrantes e as palestras , que em muito me enriqueceram, o aprendizado no campus blog.Ainda mais quando se ouve ao vivo, grandes nomes das mídias sociais, participantes da bibliografia do meu projeto de pesquisa em Ciências Sociais, sobre o impacto da Social Media na sociedade brasileira. Ouví-los e ser ouvido e respondido por eles foi demais.

Ny nahafinaritra indrindra dia ny nifandray (an-tserasera) tamin'ny mpamaky teny sy ny vakinteny ihany koa, hitako fa tena nampisy aingam-panahy tokoa, anisan'izany ny CampusBlog. Ary mbola tsaratsara kokoa aza rehefa afa-mihaino anaran'olo-malaza ambalan-tserasera mivantana. Misongadina ao amin'ny tahirin-kevitra momba fiantraikan'ny valantserasera amin'ny fiaraha-monina breziliana amin'ny tetikasam-pikarohana ara-tsiansa sosialy ataoko ireo olona misongadina ireo. Mampangitakitaka izany hoe afa-mihaino azy ireo ary izy ireo ihany koa dia mihaino ahy manontany azy ireo avy eo.

Photo by Flickr user liacarreira. Used under a Creative Commons license.

Sarin'ny mpampiasa Flickr liacarreira ary ambany fiarovana Creative Commons.

Photo by Flickr user amfdesigner used under a Creative Commons license.

Sarin'ny mpampiasa Flickr amfdesigner ary ambany fiarovana Creative Commons.

Photo by Flickr user amfdesigner used under a Creative Commons license.

Sary an'ny mpampiasa Flickr amfdesigner ary ambany fiarovana Creative Commons.

Cyber-flowers in Campus Party. Brought by Techguru 2.0 blog.

Voninkazon-tsibera tao amin'ny Campus Party, avy amin'i Techguru 2.0 blog.

Kevin Mitnick, the greatest hacker in the world. Photo by ManoelNetto on Flickr. Used under a Creative Commons license.

Kevin Mitnick, Mpisovoka (hacker) mahery indrindra maneratany. Saripikan'i ManoelNetto ao amin'ny Flickr ary nampiasaina mifanaraka amin'ny dina Creative Commons.

Lawrence Lessig, founder of Creative Commons. Photo by senomoto_br on Flickr. Used under a Creative Commons license.

Lawrence Lessig, mpanorina ny Creative Commons. Saripikan'i senomoto_br ao amin'ny Flickr. Nampiasaina araka ny dina voasoritra ao amin'ny Creative Commons.

Photo by senomoto_br on Flickr used under a Creative Commons license.

Saripikan'i senomoto_br ao amin'ny Flickr ary ambany fiarovana Creative Commons.

Photo by senomoto_br on Flickr used under a Creative Commons license.

Saripikan'i senomoto_br ao amin'ny Flickr ary ambany fiarovan'ny dina Creative Commons.

Etsy ankilany indray ny mpamaham-bolongana ao amin'ny Mondo Cubano [pt] no mitsikera ity hetsika tamin'ity taona ity izay heveriny fa nangatsiatsiaka:

Tirando poucas ações relevantes e bem feitas, a #Cparty virou uma grande lan house de promoções bizarras. As empresas caem lá sem ter a menor noção de como agradar o grande público e fazem ações estúpidas. […]

Entendo que é uma grande arena para ações de marketing, e sinceramente até acho que se bem feitas elas também poderiam agregar valor à #Cparty. Mas o cerne do evento: a pesquisa, a troca de conhecimento, de experiência e o networking foi massacrado por adesivos, camisetas e panfletagem.

Ankoatra ireo hevitra vitsivitsy izay nisongadina sady tsara tontosa, dia nanjary henika fampiroboroboana tao(zavatra) hafahafa endrika ny #cparty. Niondrika tamin'ireny ny fikambanana isan-karazany toa tsy manam-pahalalana hoenti-manaja hahafaly ny mpanatrika amin'ny ankapobeny, karazan-“kilalao” fotsiny no avoakany […]

Tiako tokoa raha lasa kianja lehibe fanaovana dokambarotra (ny hetsika), ary an-kitsim-po no ilazako fa raha tontosa tsara ireny diahampiakatra ny sandan'ny #cparty. Saingy potiky ny stickers, T-shirt ary ny trakitra samihafa kosa kosa ny fo sy ny fanahi(n'ny hetsika), ny fikarohana, ny fifanakalozam-pahalalana, ny traikefa ary ny fiaraha-miasa.

Mbola tsy tapitra ny lalao. Mamaham-bolongana momba ny Traikefan'ny Campus Party [pt] izay hetsika mivezivezy mamangy tanàna breziliana mihoatra ny 100 mandritra ny tapa-taona voalohany i Fernanda Nogueira. Misy fiara fitaterana iray sy tranolay ahitana solosaina mahatratra 150 izay mitsidika tanàna iray mandritra ny herinandro ka ahafahan'ny olona ao an-toerana mikirakira mivantana teknolojia sy aterineto, ary hampirisika ny adihevitra momba ny teknolojia sy ny kolontsaina nomerika.

Apesar de terem algumas cidades em mente, a organização pensa em criar um processo de candidatura, onde assim como nas Olimpiadas, a própria população defenda a realização do evento na sua cidade.Além disso, cada cidade deverá criar também um comitê gestor que ficará responsável pela a cessão do local de realização do evento, todo o desembaraço burocrático (licenças, alvarás, etc), garantia de visitação por parte de estudantes e grupos de excluídos (camponeses, idosos, portadores de deficiência,etc) e manutenção de um telecentro focado em inclusão 1.0 (promoção do primeiro contato com o computador) e 2.0 (promoção do uso de serviços web e de publicação de conteúdos em blogs, fotologs, videologs e redes sociais).

Na dia efa mieritreritra anarana tanàna ao an-tsaina aza ry zareo mpikarakara dia mikasa hanao ny hetsika ho toy ny endrika fanaon'ny lalao olaimpika, izay ahafahan'ny olona mangataka nyhanaovana ny hetsika any amin'ny tanàna misy azy ireo.

Ankoatra izany, dia hanangana vaomiera ihany koa ny isan-tanàna hiandraikitra ny fanomanana ny fiavian'ny hetsika, hifampiraharaha momba ny ara-taratasy rehetra (fahazoan-dalana…), hiantoka fa hisokatra ho an'ny mpianatra sy vondron'olona voahilikilika an-tsisiny (tantsaha, antitra, olona manana fahasembanana, sns.) ny hetsika ary hametraka “ivondavitra” (telecentres) hiompana amin'ny nomerika 1.0 (mikarakara ireo sambany hikirakira solosaina) sy 2.0 (mikarakara ny fampiasana izay tolotra hita ao amin'ny tranonkala sy famoahan-javatra amin'ny alalan'ny bolongana, bolongatsary, bolongandahatsary ary ny valantserasera).

360° view of the Campus Party. Photo by Flickr user mariacarol, used with permission.

Campus Party jerena 360°. Saripikan'ny mpampiasa Flickr mariacarol ary nahazoana alalana.

Misy sary an-gôba na telo refy (3D) ao amin'ny efitra lehiben'ny Campus Party vitan'i Rene de Paula azonao jerena ato amin’ ity rohy ity.

Efa nohamarinin'i Maisie Fitzpatrick ity lahatsoratra ity

Diego Casaes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.