- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egipta: Ny zo hiteny

Sokajy: Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Zon'olombelona

Nanao famelabelaran-kevitra ireo mpitoraka blaogy sy mafana fo Egiptiana tamin'ny 22 Janoary mba hiarovana ny zon'izy ireo miteny taorian'ny nisamborana mpitoraka blaogy 20 mahery [1] raha tonga tao amin'ny tanànan'ny Naga Hammady [2], izay nisian'ny famonoana tao Coptic [3], ny fiarandàlamby nitondra azy ireo. Navotsotra izy ireo fotoana kely taorian'izay ary nizara ny fijoroan'izy ireo vavolombelona [4] tamin'ny “nakàn'ireo manampahefana an-keriny” azy ireo sy ny tsy fahafahan'izy ireo naneho ny fiaraha-mionona amin'ny fianakavian'ireo niharan-doza.

Detained BloggersMpitoraka blaogy voatana

Wa7da Masrya, vehivavy mafana fo notànana niaraka tamin'ireo mpitoraka blaogy eto amin'ny sary, dia nanoratra [5] tao amin'ny blaoginy:

ركبنا سيارة الترحيلات و كانت قذرة و مظلمة و ضيقة سيارة الترحيلات مكتوب عليها من برة تحت جنب النمرة “لنقل المساجين” في رأسي جاءت ميت فكرة و راحت “هو إحنا مساجين؟” “هو إحنا عملنا إيه؟” “هما حياخدونا فين” بالرغم من الاسئلة دي كلها لم ينتابني لحظة خوف واحدة لأني أعلم تماما أننا على حق
Niakatra tao amin'ilay kamiao izahay ary niaina voalohany indrindra ny haizina, ny loto sy ny fahatsapàna ho mihiboka. Teo akaikin'ny takelaky ny Laharam-pamantarana ny fiara, misy soratra manao hoe “Ho  Fitaterana Gadra” dia nanomboka nanontany tena aho hoe gadra ve izahay nefa tsy hita izay atao fa manontany tena hoe inona no anamelohana anay ary aiza no hitondràna anay. Ankoatra ireo fanontaniana an-jatony nibosesika tao an-dohako, tsy nisy mihitsy ny fotoana nananako tahotra na fanahiana satria fantatro fa anananay ny zo rehetra [mandeha any Nagaa Hammady].

Ilay mpitoraka blaogy Egiptiana Wael Abbas koa anisan'ireo mpitoraka blaogy voatàna tamin'ity dia ity. Abbas dia norahonan'ireo manampahefàna [6], voatàna tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Caire [7], ary notafihana manampahefàna iray [8] tany an-tranony. Tamin'ny namotsorana azy, nahazo lesona tamin'ny saziny enim-bolana an-tranomaizina [9] i Wael:

Voasazy enim-bolana an-tranomaizina sy onitra LE 500 pounds (92 USD) [izy], taoriana fitoriana nataon'olona iray sy ny rahalahin'ity farany izay manampahefana, noho ny fanimbàna “cables” internet! Notsaraina “in absentia”[ tsy natrehiny] i Wael tamin'ny volana Novambra.

Abbas – tsilo am-paladiha ho an'ny governemanta – dia nanao dinidinika tao amin'ny Hard Talk-n'ny BBC [Horonantsary amin'ny teny Anglisy [10]] izay niresadresahany momba ireo mpitoraka blaogy norahonana, nalaina an-keriny, ary noterena hangina, nitantara ny zava-niainany tamin'ny nitazonana azy izy ary namaly an'ireto fanontaniana manaraka ireto:

Misy akony eo amin'ny fitondràna manao jadona ve ireo mpitoraka blaogy?

Manangona laza fotsiny ve izy sa tena manova zavatra tokoa?

Dr Mostafa El Naggar dia namoaka ny Fanambaràna nataon'ireo mpitoraka blaogy Egiptiana [11] momba ny zon'izy ireo hiteny:

ونؤكد كشباب مصري يعتز بوطنه وانتمائه ويعلي قيمة المواطنة أننا لم نكن يوماً من مثيري الشغب، وأننا لم نتجمهر في نجع حمادي ولم نكن ننوي التجمهر كما حاولوا التلفيق لنا، بل كانت زيارتنا لنجع حمادي مواساة لإخواننا الأقباط في مصابهم الذي هو مصاب مصر كلها، وأننا أحرص الناس على الوحدة الوطنية التي اتهمونا بمحاولة الإضرار بها. كما نعيد التأكيد على أن زيارتنا لم تكن منظمة من قبل أي حزب ولا حركة، وكل من يدعي خلاف ذلك فهو مجافٍ للصواب. جمع السجن بيننا كمسلمين وأقباط، لأننا مصريون في وطن واحد وسجن واحد، ولن يثنينا ما حدث لنا عن العمل كنشطاء مصريين مستقلين من أجل تعميق روح المواطنة وتحقيق معنى الوحدة الوطنية الحقيقي. دامت مصر بأمن وسلام
Amin'ny maha-tanora Egiptiana tia tanindrazana, mino ny tena dikan'ny maha olom-pirenena izahay ary tsy mpanakorontana na mpanenjika laza. Raha nandeha tany Nagaa Hammady izahay dia tsy niady na niantsy ady araka ny nanamelohan'izy ireo anay; ny anton-dianay dia ny haneho  fiaraha-miory amin'ireo Copts mpiara-belona aminay sy hanamafy ny firaisankinam-pirenena izay nolazain'izy ireo fa nosimbainay. Te-hanasongadina indray izahay fa tsy misy ifandraisany tamina antoko na fihetsiketsehana ny fitsidihanay ary mandainga izay miteny ankoatra izany. Silamo sy Kristiana izahay no  nitambatra tanatina efitra iray, nitovy ny niampangàna, ary  firenena mitovy no narovàna. Iray izahay ary tsy misy afaka mampangina ny fahalalahan'ny feonay ho an'ny hafanam-po. Tsy hampanalavitra anay amin'ny iraka miandry anay mba hampahery sy hampiraikitra lalina ny firisankinam-pirenena izay zava-nitranga … ho ela velona anaty fandriampahalemana sy filaminana anie Egipta.