- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: mbola any amponja ny mpanao gazety Maen Akel

Sokajy: Syria, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Zon'olombelona

Maen Akel

Maen Akel, mpanao gazety Syriana iray , voasambotra ny 11 Novambra 2009 [1] ary ny sampam-pitsikilovana Syriana no nanao izany tany Damas. 48 ora latsaka taorian'ny fisamborana azy dia voaroaka tamin'ny asany tao amin'ny gazetim-panjakana iray, Al-Thawra ihany koa izy. Mbola tsy fantatra ny tena antony nisamborana azy.

Akel dia fantatra amin'ny fomba fanoratany somary mivantambantana, manesoeso sy mitsikera ny kolikoly ataon'ny Governemanta sy ny fahasarotan'ny fiainan'ny mponina Syriana andavanandro. Marihina fa efa gadra politika nandritry ny sivy taona izy noho ny maha mpikambana azy tao amin'ny [Communist Labor Bond].

Hatramin'iny nisamborana an'i Akel iny, dia namorona sy mitantana blaogy [2] [ar] natokana ho azy ireo namany. Anatin'ny iray amin'ireo lahatsoratra, Ali Diob dia niteny [3] [ar]:

الصحفي عار، كعري كل أحد آخر، و كل شيء، في سورية، أمام سلطة عارية هي الأخرى أمام خوفها، الذي عكست صورته في شهوة مذعورة للتحكم الاستبدادي، حتى بالأموات.

Mihanjaka ny mpanao gazety, ohatran'ny olon-drehetra sy ny zava-drehetra any Syria, eo anatrehan'ny fahefana izay mitanjaka ihany koa manoloana ny tahotra. Tahotra izay hita taratra ao anatina hetaheta tsy mety mitony hanao vahoho amin'ny zavatra rehetra  ary tsy iraharahana izay maty.

Ao amina lahatsoratra iray hafa, dia milaza ny heviny [4] [ar] mikasika ny fahaizan'ireo Syriana mampandroso ny fanavaozana  i Mazen Darwish :

أخطأ معن حين صدق , كما صدقنا , و كما صدق الكثيرون . . . أنه رغم قانون الطوارئ من الممكن إحداث فرق ايجابي في الحياة السورية عندما يتعلق الموضوع بالمصلحة الوطنية

Diso hevitra i Maen raha nieritreritra, tahaka ny eritreritry ny ankamaroantsika, mihevitra fa na dia eo aza ny fepetra noho ny hamehana dia mety hisy vokany tsara eo amin'ny fiainan'ireo Syriana rehefa mahakasika ny tombontsoam-pirenena izany.

Ny blaogy Syriana حركشات (Harkashat) dia namoaka lahatsoratra nosoratan'i Mazen Kom ElMaz izay nitenenany hoe [5]:

ما نزال بانتظار التهم التي ستوجه لمعن , كي نتمكن أكثر من فهم أين يقف معن اليوم من كل ما قاله بالأمس ومن حياته الجديدة ومن سجانيه ومما سيمكنه ( أو لا يمكنه ) أن يكتبه في الغد, لكن ما يبدو حتى الآن أننا أمام رجل انتهى إلى السجن لأنه اعتبر بيوت الفقراء التي فتحت أمامه أبوابها جزءا أصيلا من عالمه, تماما مثل بيته الخاص , لأنه لم يستطع التخلص منهم كجزء من أسرته الشخصية, لذلك يستحق معن منا تنهيدة عميقة, يستحق قلق انتظار صديق حميم

Mbola miandry ny vesatra anenjehana an'i Maen izahay mba hahalalanay kokoa hoe aiza ho aiza izao ny toerany, manoloana ny zavatra noteneniny tamin'ireo gadrany, ary afaka, sa tsy afaka anoratra intsony izy amin'ny ho avy. Manoloana lehilahy iray isika,  izay any am-ponja noho ny fandraisany ny tranon'ireo mahantra nanadanadana ny varavarany ho toy ny isam-pananany, ohatry ny tranony, satria tsy afaka manary azy ireo izy. Izany no mahatonga an'i Maen mendrika ny sento mafy avy aminay. Mendrika azy ny tahotra sy ny ahiahy manaraka ny fiandrasana namana lalaina.