Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Janoary, 2010

Tantara tamin'ny Janoary, 2010

06 Janoary 2010

Jeritodika RSF 2009: Maherin'ny 100 ireo mpitoraka blaogy sy “mazan-dohan'ny aterineto [cyber-dissidents]” nofonjàna

Ny ‘Reporters Without Borders’, na ‘Reporters sans frontières’  dia namoaka angom-baovao ho an'ny faran'ny taona 2009 tamin'ny 30 Desambra 2009. Mpitoraka blaogy 151 sy “mazan-dohan'ny aterineto  [cyber-dissidents]” no nosamborina, 61 no nanaovana herisetra ara-batana ary iray no maty tany am-ponja tamin'ny 2009. Raha ampitahaina amin'ny 2008, tafakatra hatramin'ny 155% ny...

05 Janoary 2010

Alzeria, nirotsaka an-dahàrana amin'ny adin'ny fanivànana

Alzeria no firenena farany indrindra nirotsaka nanatevin-daharana ireo mpanivana  ny aterineto, mba tsy hanaovana bango tokana  an'i Iraka, Egipta, Libia sy Libanona. Herinandro lasa izay no nisy tatitra momba ny vohikala voasakana, rehefa nitatitra ny momba ny www.rachad.org ireo mpampiasa Twitter, hoe voasakana ny vohikalan'ny hetsika ara-politika Mouvement Rachad. Nanomboka...

Emirà Arabo Mitambatra : Miara-misokatra amin'ny anjomaran'ny Twitter ny Burj Dubai

Burj Dubai avy amin'i Joi Ito – arovan'ny Creative Commons Nasandratr'i Dobayy avokoa ny fiatoana rehetra hanamarihany ny fisokafan'ny tilikambo avo indrindra manerantany dia i Burj Dubai. Tamin'ny alalan'ny feon'anjomara no nanokafana ilay mpanaka-danitra avo dia avo mahatratra 828 metatra (2717 pieds) any Dubai, Emirà Arabo Mitambatra, na dia aza...

04 Janoary 2010

Tamberina 2009 teto Madagasikara – fizarana faharoa -

Lova Rakotomalala, tao amin'ny topimaso nosoratany nandritra ny volana vitsivitsy fiandohan'ny taona 2009 teto Madagasikara, tapany voalohany amin'ny fizarana telo nosoratany, no nitantara ny nahatongavan'i Andry Rajoelina, Ben'ny tanànan'Antananarivo teo aloha, hahazo ny fahefana tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana. Hotohizantsika teo amin'ny niatoan'i Lova ny raharaha. May 2009 no nahitana ny fanoherana...

Egipta: Ao an-tseranam-piaramanidina iraisam-pirenen'i Cairo …Mitandrema ianao raha toa ka mpitoraka blaogy!

Tato ho ato ireo ONG goavana sy seha-pikarohana samihafa saiky maneran-tany mihitsy dia nanjary liana dia liana amin'ny fihainoana izay ambaran'ireo mpitoraka blaogy Arabo sy ny hafanam-pon'izy ireny amin'ny tontolo niomerika, ratsy vintana ireo Egiptiana mpitoraka blaogy ao amin'ny seranam-piaramanidin'ny fireneny! Toy ireo mpitoraka blaogy maro nanana olana tao amin'ny...

02 Janoary 2010

Sudan: Safidy stratejika ve ny maha-iray tsy mivaky?

Amin'ny teny Arabo, ilay Sodane mpitoraka blaogy Ayman Hajj dia mifanakalo hevitra momba ny politikan'ny fireneny sy ny hoe nahoana ny maro amin'ny vahoaka Sodane no tsy mino intsony ny maha-iray tsy mivaky.

Japana: Aelezo ny hafatra, adikao

Tafatafa an-tsary [en] niarahana tamin'i   Kyo Kageura, lehiben'ny tetikasa Minna no Honyaku (みんなの翻訳, fandikan-teny ho an'ny rehetra, Translation for all) [ja], sehatra iray ho fandikana teny hanampy  ireo  ONG [Fikambanana tsy miankina] sy NPO amin'ny fanapariahana ny hafatra fisaorany an'ireo mpandika teny an-tsitrapo. Ny Global Voices any  Japana dia nanontany...

01 Janoary 2010

Fomba sy fanao isaky ny taombaovao manerantany an-dahatsary

Afomanga saripikan'i Tormel Samy manana ny fomba(n-drazana) ankalazany ny fahatongavan'ny taona vaovao ny mponina manerantany. Amin'ity alina ity, amin'ny alalan'ny lahatsary no itondranay anareo hitsidika ny karazam-pombafomba arahin'ny olona hahatsara ny anjarany, hahazoan-karena na antsipirian-javatra hafa tiany ho azo amin'ny taona ho avy. Any Meksika, misy ny sasany izay mandrehitra...

Tamberina 2009 Azia Atsimo

Nivalona hatreo ny taona 2009 ary izao no fotoana hitodihana izay nitranga tany Azia atsimo. Ao anatin'ny tamberina misy fizarana roa no ijerentsika ireo fotoan-dehibe nanamarika io taona io ho an'ny firenena atsimon'i Azia amin'ny alalan'ny mason'olo-tsotra tia mampita vaovao. Isaorana manokana ireo mpanoratry ny Global Voices ho an'i Azia...

Arabia Saodita : Ny tondra-dranon'i Jeddah an-tsary

Mbola miresaka momba ny tondra-dranon'i Jeddah sy ny vokatra naterany ny olon-drehetra, telo herinandro taorian'ny tondra-drano nitranga tany amina tanàna tany Arabie Saoudite andrefana. Ireo mpampiasa aterineto dia mizara rohy ao amin'ny YouTube, mampiseho ny fahasimbana goavana, avy amin'ny mailaka. Maro ireo video azo tamin'izany.