- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voafantina hofidiana hahazo loka Game Changer ny Global Voices Online

Vao voafantina hisafidianana anatin'ny dingana famaranana ao anatin'ny Loka We Media Game Changer 2010 [1] (loka We Media mpanova lalao 2010) ny Global Voices Online. Voafantina ao anatin'ny lisitry ny olotsotra, tetikasa ary fikambanana [2] voafantin'ny valam-piarahamonina ankapobe We Media ny GVO.

Hoy manko ny We Media:

Mitarika ny olona ho amin'ny fahalalana ny Game Changers (Mpanova Lalao). Misarika (ny olona) hiditra an-tsehatra sy handray anjara amin'ny alalan'ny media (fifampitam-baovao) ry zareo, Ka ankalazainay ny zavabitan'izy ireo mandritra ny We Media Miami, fivoriam-pihavaozana fanao isan-taona ka lasa votoatim-pandaharana ny tantaran'izy ireo. Manome ohatra ry zareo, manome tsela-kevitra sy aingam-panahy ho an'ny mpitari-dalana sy mpitsinjo ny ho avy (visionnaires) amin'ny sehatra rehetra amin'ny alalan'ny fomba fitarihana hiserasera sy ho lohalaharana eo amin'ny fiaraha-monin-tserasera.

Hahazo anjara fitenenana mandritra ny fivoriana Fivoriana We Media [3] fanao isan-taona izay hotontosaina anyamin'ny Anjerimanontolon'i Miami ny 9-11 marsa 2010 ho avy izao ny olo-tsotra na fikambanana mahazo vato be indrindra amin'ny famaranana. Asaina hanatrika izany avokoa ny voafantina rehetra mandritra ity fihaonana ity.

Miangavy anareo izahay hametraka ny safidinareo ato [2] ho mari-panohananareo ny Global Voices Online ho 2010 We Media Game Changer na Mpanova lalao We Media 2010. Mifarana amin'ny 3 febroary 2010 amin'ny 11:59 alina ora Etazonia atsinanana ny fifidianana.

Eduardo Avila [4]