- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanoratra misongadina: Hisham

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Teknolojia

(Avy amin'ny mpandika : Tsy nety napetraka ny video teto)

Amin’ny maha dokotera monina sy miasa any Frantsa azy, i “Hisham” (Hisham Khribchi) dia iray amin’ireo mpikambana mpanorina ny vohikala Talk Morocco [1], izay miezaka ny ho seha-pifanakalozana handrisihana ny fifampiresahana avo lenta, misokatra ary mendri-kaja momba ny olana mahakasika an’i Maraoka sy ny Diaspora

Ambonin’ny fanoratany ao amin’ny blaoginy manokana The Mirror [2], Hisham dia mandray anjara koa amin’ny Global Voices Online [3] izay nanoratany momba an’i Maraoka hatramin’ny Aprily 2009. Azo atao koa ny mahita azy ao amin’ny Twitter amin’ny @Hisham_G [4]