Ejipta: fandripahana kristiana tao Naga Hammady

Respect Religions by Sarah Carr

Hajao ny fivavahana avy amin'i Sarah Carr

Ny 7 Janoary no mankalaza krismasy ny kristiana kopta. Nankany am-piangonana hankalaza ity fety masina ity ny kôpta tany Ejipta ny takariva mialoha ity fotoan-dehibe ity. Saingy nisy zava-tsy nampoizina nitranga tany Naga Hammady, Ejipta ambony, tamin'ity taona ity raha nisy olo-tsy fantatra nitifitifitra azy ireo fatahany tamin'ny basy raha vao vita ny fotoam-bavaka ary handeha hody ry zareo.

Zeinobia namoaka lahatsoratra momba ity fandripahana ity ao amin'ny bolongany nilaza hoe:

I am really very sorry and angry for what happened in Naj Hammadi yesterday. It hurts me more than the Egyptian Christians because what happened is against all Egyptians.

My condolences to the families of those who were killed and injured in this disgusting attack.

Tohina tokoa ny tena ary malahelo noho izay nitranga tany Naga Hammady omaly. Tena manohina ny krisitana Ejipsiana tokoa izany satria mamely ny Ejipsiana rehetra izao mitranga izao. … Mirary fiononana ho an'ny fianakavian'ireo maty sy maratra nandritra ity fanafihana maharikoriko ity.

Bolongana hafa koa, Coptic File, no nanoratra momba ity toe-java-nitranga ity:

تم إطلاق النار بشكل عشوائى من رَشاش آلى موَجه من داخل سيار (فيات – خضراء اللون)، مما أسفر عن استشهاد ثمانية أقباط وإصابة آخرين، وجميعهم ممن حَضروا قُداس عيد الميلاد بالكنيسة
Tifitra avy ao anaty fiara (Fiat maitso) no nataony ka nahafatesany olona valo sy naharatrana maro hafa. Vao avy nanatrika ny fotoam-bavaka hariva tao am-piangonana avokoa izy rehetra ireo.

Ao amin'ny Misr Digital, no amoahan'i Wael Abbas lahatsarin'ny fitifirana tao Naga Hammady.

Nilaza moa ny mnisitry ny atitany fa misy ifandraisany amin'ny fanolanana zazavavy miozolomana 12 taona nataona lehilahy kristiana iray tao amin'io tanàna io ihany ity raharaha ity. Saingy tsy levon'ny vavonin'i Zeinobia ho fialan-tsiny amin'ity tifitra variraraka ity izany fanazavana izany. Notsikerainy ny minisitry ny atitany amin'izany rehetra izany:

And with my all respect this is ridiculous , fighting a crime by a group of crimes. I blame the ministry of interior in all of this , if there is a real respect and fear of the law nothing of this could happen.

Ao anatin'ny fifanajana no ilazako fa fahadalana kosa izany, miady amin'ny heloka bevava amin'ny alalan'ny fanaovana heloka bevava maro isan-karazany. Tsikeraiko ny minisitry ny atitany amin'izany, raha tena misy tokoa ny tahotra sy ny fanajana ny lalàna dia tsy tokony hitranga ity toe-javatra ity.

Nizara ny fihetseham-pony mitovitovy amin'izany ihany koa i Nawara. Hoy izy raha namaky ny fanambarana an-gazety navoakan'ny minisiteran'ny atitany izy:

اعجب بيان للداخلية قريته في حياتي، عمري ما شفت بيان للداخلية بيلقي اللوم على الضحية وبيحرض على العقاب الجماعي
Tsy mbola naheno fanambarana toy izany aho hatrizay niainako, tsy mbola nahita filazana an-gazety miampanga ny niharam-boina sy mandrisika famaizana olo-maro tahaka izao aho.

Kianin'i Nawara ihany koa ny gazety Ejipsiana:

الاعلام المصري الراكد مش جايب سيرة الموضوع كأن اللي اتقتلوا امبارح دولم خرفان
Tsy noraharahian'ny fampitam-baovao Ejisiana ny tie-draharaha, tahaka ny hoe ondry ireo novonoina omaly ireo.

Tsikerain'i Cat of the Desert ny fiaraha-monina sy ireo extremistes amin'ity toe-draharaha ity.

موت 7 مسيحيين كلهم شباب فى عمر الزهور واطفال غير الجرحى

سرقوا فرحتهم بالعيد وقتلوهم برصاص الإرهاب والغدر .. وقاعدين لحد يولولوا على شهيدة المرجيحة اللى اطلقوا عليها شهيدة الحجاب

مستنيين ايه ؟؟ بعد الانحطاط وقلة الادب على المختلف عقائديا مستنين سمعتكو تبقى ايه فى الخارج ؟؟

الله ينتقم من كل من افتى بتكفير الآخرين وعلى رأسهم القرضاوى والحيوانى وحسان

Zaza krisitana fito no maty, ary maro hafa no naratra.

Nogafian'izy ireo ny fifaliana sy ny fankalazana krismasy, ary namono tamin'ny alalan'ny bala izy ireo. Ary dia mbola mihorakoraka momba ny martioran'ny inona ihany izy ireo, ary dia nantsoiny ho maritioran'ny hijab ihany iny vehivavy iny.

Fa inona no andrasanao amin'izao tsy fahalalana sy fahatarana ara-tsaina izao? Inona no andrasanao hieritreretan'ny hafa antsika noho ity toe-draharaha ity?

Aoka Andriamanitra hanozona ireo miantso no hafa ho “tsy matoky”, ary ny lohalaharana amin'izany dia ny Al Quaradawy, El Huwainy, ary Hassaaan.

Avy eo dia nampiseho lahatsary ahitana an'i Abu Is-haq El Huwainy mampitandrina ny olona amin'ny kristiana sy ny fiokoana ataon'izy ireo hamelezna an'i Ejipta izy!

Etsy ankilan'izany koa ny mpamaham-bolongana Ejipsiana, Te3ma, dia mino fa misy hery vahiny ao ambadik'ity raharaha ity:

وأنا على يقين تام بأن الفتنة خارجية وليست داخلية
Tena inoako tanteraka fa avy any ivelany ny atidohan'ity fandripahana ity, fa tsy avy eto an-toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.