Bolivia: Ny fiainan'ny mpamily fiara karetsaka any El Alto

Ilay mpitoraka bilaogy Wilfredo Jordan avy any El Alto no nifantoka manokana amin'ny fiainan'ny mpamily fiara karetsaka iray miasa eny an-dalana rehetra eny isan'andro. Ho fanampin'ny ora maro iasany amin'ny karama faran'izay kely dia mifanehatra amin'ny toe-javatra mampalahelo matetika ireny mpamily fiara karetsaka ireny rehefa tojo ny mpandeha manana eritreritra hafahafa. Indro ny lahatsoratra vao haingana tao amin'ny bilaoginy:

La vida no tiene precio, y un taxista que ha trabajado en las calles de El Alto lo sabe muy bien. Varios de ellos, además de lidiar con fallas habituales de sus vehículos, ya que muchos son adquiridos de “segunda mano”, o la imprudencia de algunos choferes, deben enfrentarse con la delincuencia, a tal grado de que cualquiera puede perder la vida o estar cerca de ello.

Tsy misy vidiny ny fiainana, ary tena mahafantatra izany ireo mpamily fiara karetsaka. Ho an'ireto mpamily ireto dia eo ny fahasimban'ny fiara ampiasainy satria mividy kojakoja “brôkantera” matetika izy ireo, ny fitondrana fiara tsy am-pahamalinana ataon'ireo mpamily hafa, fisedrana ny asan-jiolahy izay indraindray hamoizana aina mihitsy, na efa manakaiky an'izany.

Jordán mitantara ny asan-jiolahy nifanehatra tamin'ireto mpamily fiara karetsaka ireto, mifanehatra amin'ny loza tena misy, tahaka izay niainan'i German Quispe, niharam-boina tamin'ny saika nanankendana azy tamin'ny kofehy nataon'ny mpandeha tao anatin'ny fiara nentiny, soa ihany fa avotry ny namany sandra nandalo teo izy. Mpamily fiara karetsaka anankiray hafa no sendra zavatra ohatr'izay tamin'ny volana martsa 2009:

Como Quispe, cientos son los taxistas que afrontan estos riesgos, el 22 de marzo de este año, Moisés Chambi Blanco, de 24 años, recogió a unos pasajeros de la Ceja con destino a la zona Juana Azurduy de Padilla, en el sector de Río Seco. Cuando pasó por el camino a Laja, cuya carretera es poco iluminada, uno de ellos sacó un arma y le disparó en el rostro.

Los delincuentes, creyendo que había muerto, tiraron el cuerpo a un costado de la vía; pero más tarde Chambi recuperó el conocimiento y fue internado de emergencia en el Hospital Sagrado Corazón, en la zona de El Kenko.

Tahaka an'i Quispe dia nifanojo amin'ny zava-doza toy izay koa i Moises Chambi Blanco, 24 taona, ny 22 marsta 2009; nitondra mpandeha niainga avy tao La Ceja (toerana fitobiana anelanelan'i El Alto sy ny renivohitra La Paz) ho any Juan Azurduy de Padilla any amin'ny faritra Rio Seco. Rehefa tonga teo amin'ny làlana Laja, làlana tsy dia misy jiro loatra fa maizimaizina, dia namoaka poleta ny anankiray tamin'ireto mpandeha ka nitifitra azy teo amin'ny tarehiny.

Nieritreritra azy ho efa maty ireto mpamono olona ka nanipy azy teny an-tsisin-dalana; kanjo nahatsiaro tena ihany i Chambi ary naterina teny amin'ny hopitaly Sacré Coeur tao El Kenko.

Ankoatra ny zavatra mety hanjo dia nanao famaritana ny zavatra miandry ireo te hitondra fiara karetsaka i Jordan.

La mayoría de los taxistas se dedican a este oficio por la falta de trabajo, y lo hacen sin ganar mucho, incluso, sin un vehículo propio. Así, una jornada de trabajo, que oscila entre las 06.00 y 20.00, salda de 80 a 150 bolivianos, de los cuales 50 le corresponden al propietario del motorizado, 30 se va a la gasolina y el resto es la ganancia del conductor.

Manao io asa io ny ankamaroan'ny mpamily satria tsy mahita asa hafa hatao, ary tsy mahazo vola izy ireo raha tsy tena tompon'ny fiara entiny. Ny ora iasana ao anatin'ny 1 andro dia manomboka amin'ny 6 ora maraina hatramin'ny 8 ora alina, ary mahazo eo amin'ny 80 hatramin'ny 150 bolivanos eo (11 hatramin'ny 21 dôlara amerikana), ny 50 amin'io lasan'ny tompon'ny fiara ho sandan'ny hofany, ny 30 solika ary ny ambiny no an'ny mpamily.

Niresaka tamin'ny mpamily iray i Jordan izay nanaiky hijoro vavolombelona:

René Machicado, quien pertenece al Sindicato Arco Iris, representa uno de esos casos. Con una experiencia de 19 años tras el volante y luego de haber trabajado en el desaparecido Servicio Nacional de Caminos, decidió laborar por su cuenta.

“Actualmente las empresas sólo reciben personal para poco tiempo y no permanentes como antes. Ahora todo es con contratos determinados y no conviene porque no es un trabajo seguro”, indica y añade que éste, además de ser un oficio peligroso, es sacrificado, pues se deben soportar largas jornadas, incluso turnos nocturnos, que es cuando más peligro existe.

René Machicado, mpikambana ao amin'ny syndika Arco Iris, anankiray amin'ireo niaina ny zava-misy. 19 taona no nitondrany fiara karetsaka, rehefa avy niasa tao amin'ny Service National des Routes izy, izay nikatona ankehitriny, ka nanapa-kevitra izy ny hiasa tenany.

“Amin'izao fotoana izao dia tsy mampiditra mpiasa raikitra intsony ny toeram-piasana, ary tsy ho mpiasa raikitra tahaka ny taloha izany ianao. Amin'izao fotoana izao dia mpiasa miasa amin'ny fotoana voafetra ihany no raisina, ary tsy mahaliana ilay satria tsy tena asa azo antoka intsony” hoy izy, nampiany koa fa ny mitondra fiara karetsaka, ankoatra ny maha asa mampatahotra azy, dia mitaky famoizan-tena betsaka, satria tsy maintsy miaritra eny ianao mandritra ny andro manontolo, ao koa ny miasa alina, izany hoe misy tokoa ny mampatahotra.

Tsy zavatra foronina ny loza mety hahazo: manambara ny antontan'isa fa tao anatin'ny 8 volana nandritra ny taona 2008 dia mpamily fiara karetsaka 10 no maty ary nangalarina ny fiarany.

1 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> eduardo ávila

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.