Voalohany indrindra, nisy ny governemanta nanakana ny Blogspot. Avy eo dia nosakanan'izy ireo ny Facebook, vita izay dia ny Twitter. Ary vao nanomboka nampiaka-peo ireo mpanjifa ny vokatra teknolojika eran-tany, dia nisy governemanta roa naneho fahendrena kely ka nanova ny fomba fanivanany ireo media ara-tsosialy ka, naleony nisakana manokana ny fidirana manokan'ireo mpampiasa, mba tsy hanakànana manontolo ny vohikala iray. Tsikraika izany tamin'ny zava-nitranga tamin'ny YouTube tany aloha tany, mba tsy hisakanana ity vohikala fifampizaràna video ity tsy ho azon'ireo mpampiasa hidirana, dia mety ho video iray voafaritra no hosakanan'ny governemanta; ny vaovao farany izao dia ny fanakanana ireo takelaka manokan'ny olona mampiasa Twitter.
Nandritra ireo herinandro vitsy lasa, tonga ny tatitra avy amin'ny Herdict sy ny Twitter, mampandre antsika mikasika ny fanivànana ny Twitter any Tonizia sy Bahrain (ary mety ho tahak'izany koa i Sina). Any Tonizia, ireo kaontin'i Sami Ben Gharbia (@ifikra), mafana fo nalefa an-tsesitany , ny injeniera @Ma7moud, ary ny loharanom-baovao tsy miankina malaza Nawaat (@nawaat) dia efa nambara fa tsy mety idirana intsony, raha nakatona tamin'ny Andfon'ny Taombaovao ihany koa ny @FreeBahrain tany Bahrain.

Tsy vahiny amin'ny fanakanana azy ny Twitter: I Sina sy Iran miaraka dia samy nanakana ny tambazotra ara-tsosialy/vohikala fitorahana blaogy kiritika tany aloha tany, ary i Arabia Saodita dia voalaza fa nanakana takelak'olona roa mpampiasa Twitter teo anelanelan'ny taona 2009 teo.
Ny tena misarika ny saina dia ny fampisehoan'ny Governemantan'i Tonizia sy Bahrain fahafahana sy ny fahavononan'izy ireo hanakana ireo takelaky ny olona ao amin'ny Twitter, ho fanakombonam-bava ireo olona sasany tsy ho afa-maneho hevitra na dia avela hisokatra aza ilay tokontany midadasiky ny serasera . Ny fotoana irery ihany no afaka hanambara raha ho lasa fomba fanao maneran-tany izy ity.