- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Emirà Arabo Mitambatra : Miara-misokatra amin'ny anjomaran'ny Twitter ny Burj Dubai

Sokajy: Emirà Arabo Mitambatra, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna
Burj Dubai by Joi Ito - under Creative Commons [1]

Burj Dubai avy amin'i Joi Ito – arovan'ny Creative Commons

Nasandratr'i Dobayy avokoa ny fiatoana rehetra hanamarihany ny fisokafan'ny tilikambo avo indrindra manerantany dia i Burj Dubai [2]. Tamin'ny alalan'ny feon'anjomara no nanokafana ilay mpanaka-danitra avo dia avo mahatratra 828 metatra (2717 pieds) any Dubai, Emirà Arabo Mitambatra, na dia aza ny fitsontsorika sy ny aizina nandrakotra ny toe-karenan'i Emirà tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay.

Hatry ny maraina no nanomboka nikorataba ny sioka an-tserasera nahatonga ny Burj Dubai [3] ho lohahevitra ironana any amin'ny valam-piarahamonina – na dia eo aza ny fiovana anaran'ilay trano manaka-danitra ho Burj Khalifa. Tilikambo moa no dikan'ny Burj amin'ny teny Arabo, ary Khalifa no anaran'ny Filohan'ny Emirà Arabo Mitambatra Shaikh Khalifa bin Zayed Al Nahyan.

Vao nanoratra [4] ny tena mpanapaka an'i Dobayy ny Shaikh Mohammed bin Rashid Al Maktoom, sady Filoha lefitra no Praiminisitr'i Emirà Arabo mitambatra ary mpampiasa Twitter:

Shaikh Mohammed bin Rashid's Tweet [5]

Siokan'ny Shaikh Mohammed bin Rashid

Manantena aho fa nahafa-po anareo rehetra ny hetsika ara-kolontsaina, ny hakingana sy ny filaharana isan-karazany notontosaina teto Dobayy omaly

Vao [6] nodakan'ilay mpifanolo-bodirindrina aminy izay manankarena solika dia i Abu Dhabi haingana teo i [6]Dobayy, izay nandrafitra indray ny fampindramam-bolany – nitroka 10 miliara dôlara tamin'ny tahiry fitrosan'ny Emirà. Tsy nanadino izany zava-misy izany ilay Karana Thejas V R [7] rehefa namosaka ny heviny:

bail out money [8]

Tahaka ny hoe notaperin'i Dobayy nandritra ny lanonam- panokafana an'i Burj Dubai avokoa ny vola antok'i Abu Dhabi rehetra.

Ankoatra ny resaka ara-toe-karena, dia ao anaty fanajana [sa tahotra?] ny mpampiasa Twitter. Manoratra i Forrest Goodson [9]:

Picture 8 [10]

Misokatra any Dobayy ny trano avo indrindra manerantany dia ny “Burj Dubai”, tilikambon'i Eiffel feno io ary avo noho ny faharoa avo indrindra.

Ary nilaza ny fanokafana an'i Burj Dubai ho MAHATALANJONA i Maram Sami [11]:

amazing [12]

Manao ny tenany ho toy ny olotsotra ho mpanao gazety ny mpampiasa. Nampitain'i Abeer MK [13] ny fangatahin'ny CNN handefasana saripika:

cnn [14]

Oadray re fa tena nahafinaritra aoka izany ilay fampisehoana teto Dobayy! Nanatrika ny fanokafana ny #Burj Khalifa ve ianao androany? Alefaso @cnnreport ny sary

Mandritra izany dia efa namoaka ny sary nandritra ny afomanga i Imra Solt izay azonao jerena ato izany [15].

Tsy eto aloha hankafy ny tohin'ny lanonam-panokafana!

(sarin'ny Burj Dubai avy amin'i Joi Ito arovan'ny http://www.flickr.com/photos/joi/ [16] / CC BY 2.0 [17]“>Creative Commons)

Amira Al Hussaini [18]