Japana: Aelezo ny hafatra, adikao

Tafatafa an-tsary [en] niarahana tamin'i   Kyo Kageura, lehiben'ny tetikasa Minna no Honyaku (みんなの翻訳, fandikan-teny ho an'ny rehetra, Translation for all) [ja], sehatra iray ho fandikana teny hanampy  ireo  ONG [Fikambanana tsy miankina] sy NPO amin'ny fanapariahana ny hafatra fisaorany an'ireo mpandika teny an-tsitrapo.

Ny Global Voices any  Japana dia nanontany azy momba ny  fanambin'ny Minna no Honyaku [en], ireo  olana atrehiny sy ny fetra vaovaon'ny fandikana teny an-tsitrapo.

Ny tetikasa Minna no Honyaku na Fandikan-teny ho an'ny rehetra , Translation for all dia vokatry ny Vondrona Fandikana Teny ao amin'ny Foibem-pirenena ho an'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana Teknolojia ary ny Tranomboky sy ny Toeram-pikarohana ara-tsiansan'ny fampahalalam-baovao [Language Translation Group of the National Institute of Information and Communication Technology and Library and Information Science Laboratory of the University of Tokyo] ao amin'ny Anjerimanontolon'i Tokyo, iarahany miasa amin'ny orinasa famoahamboky  Sanseido.

Nosainina ho toy ny singa iray amin'ny  Tetikasa Shiitake, ny fananganana sehatra hanentanana sy hampiroboroboana ny fandikàna teny mampiasa aterineto [online] dia manana  tanjona voafaritra mazava:

Ity fomba ity dia hahafahan'ireo mpandika teny miasa ho an'ny tenany hanangana tambazotra atsy ho atsy, tsy ilàna ezaka fanampiny be manao ahoana, ka anatin'izany ireo mpandika teny miasa amina sehatra mifanahantsahana dia ho afaka manangona antontan-kevitra sy mifampizara vaovao mikasika ny asa fandikan-tenin'izy ireo. Izany, inoanay, dia hanatsara ny asan'ireo mpandika teny sy handrisika ireo mpandika teny mafonja hiditra ao. Araka izany, ny tetikasa Shiitake  dia tetikasa sosialy mihitsy.

Farany, amin'ny fiezahana hanao ny asa fandikana teny ho dingana mora koa ho an'ireo mpandika teny tsy mbola ampy fahaiza-manao, ny tariky ny Profesora Kageura namorona ny  Minna no Honyaku, dia resy lahatra fa :

Ny fandikana ireo vaovao sy tatitra samihafa ataon'ireo mpiasa an-tsitrapo dia mitana toerana goavana tokoa ao anatin'ity fivezivezen'ny vaovao ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.