- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita : Ny tondra-dranon'i Jeddah an-tsary

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Tontolo_iainana, Voina

Mbola miresaka momba ilay tondra-dranon'i Jeddah [1] sy ny vokany foana ny olona, telo herinandro taorian'ny ora-mikija sy ny tondra-drano nampihantona ny fiainana tany andrefan'i Arabia Saodita.  Mizara rohy ao amin'ny YouTube ireo mpampiasa aterineto, mampiseho ny fahavoazana goavana, avy amin'ny mailaka.

Bobo6699tariq [2] mizara ity video ity, mampiseho ireo fiara voafaoka eny amin'ny làlana lasa toy ny renirano:

Manazava izy:

سيوول و كوارث جده

والبلديه بانت على حقيقتها في الزفلته وفي حي قويزه بنو بيوت على اوديه والبيوت غرقة والناس ماتت والدفاع المدني ماساعدهم الله يعين ويعوضوهم على مافقدو من بيوت وسيارت واروح والله التوفيق

Ny tondra-dranon'i Jeddah sy ny loza-voajanahary..

Ary dia miseho amin'ny tena endriny ny ao amin'ny Fivondronana [municipality]. Any akaikin'ny Zaflata sy Quwaiz, nanangana trano teny amin'ny lohasaha izy ireo ary dia difotry ny rano ireny trano ireny, maty ny olona nefa tsy nanampy azy ireo akory ny tomponandraikitra amin'ny fiarovana sivily. Hanampy azy ireo anie Andriamanitra ary hampionona  azy ireo amin'ny namoizan'izy ireo trano, fiara ary aina.

MsAbuRayan [3] mampiseho tranga hafa momba ilay tondra-drano:

Manoratra izy:

عز السيل ف شارع جاك شيء مفجع السيل وصل للوحات المحلات !!!!!!!! الله يعوضهم خير أصحاب البيوت والمحلات والسيارات ويرحم من مات
Tondraka ny rano manerana ny araben'i  Jack ary tena nahatsiravina. Difotry ny rano ny rihana voalohan'ireo trano fivarotana. Hamaly soa ireo namoy ny tranony , ny fivarotana ary ny fiarany anie Andriamanitra ary hamindra fo amin'ireo maty anie Izy.

Maher, ao amin'ny Maherex [4], naka ity video ity, mampiseho fahasimbana hafa:

Namoaka ity [5] video ity koa izy, izay mampiseho fiara marobe simba: