Tantara tamin'ny 01 Janoary 2010
Fomba sy fanao isaky ny taombaovao manerantany an-dahatsary
Afomanga saripikan'i Tormel Samy manana ny fomba(n-drazana) ankalazany ny fahatongavan'ny taona vaovao ny mponina manerantany. Amin'ity alina ity, amin'ny alalan'ny lahatsary no itondranay anareo hitsidika ny karazam-pombafomba arahin'ny olona hahatsara...
Tamberina 2009 Azia Atsimo
Nivalona hatreo ny taona 2009 ary izao no fotoana hitodihana izay nitranga tany Azia atsimo. Ao anatin'ny tamberina misy fizarana roa no ijerentsika ireo fotoan-dehibe nanamarika io taona io ho...
Arabia Saodita : Ny tondra-dranon'i Jeddah an-tsary
Mbola miresaka momba ny tondra-dranon'i Jeddah sy ny vokatra naterany ny olon-drehetra, telo herinandro taorian'ny tondra-drano nitranga tany amina tanàna tany Arabie Saoudite andrefana. Ireo mpampiasa aterineto dia mizara rohy ao amin'ny YouTube, mampiseho ny fahasimbana goavana, avy amin'ny mailaka. Maro ireo video azo tamin'izany.
Brezila: Mitoroka ny fahamaizan'ny ala an-tanan-dehibe ireo mpitoraka blaogy maro
Taorian'ny nadravàn'ny afo ny ala an-tanan-dehibe lehibe indrindra maneran-tany tao Rio de Janeiro tamin'ity Septambra ity, manangom-baovao , manome ny heviny ary manentana ireo mpitoraka blaogy maro.