- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia : hetsika naoty fotsy hanoherana ny sivana

Sokajy: Tonizia, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika
The Note Blanche campaign logo [1]Sary famantaran'ny Hetsika Naoty Fotsy

Tamin'ny zoma 25 desambra no namoahan'ny mpamaham-bolongana Toniziana ny fanentanana Naoty Fotsy hanoherana ny sivana izay miitatra dia miitatra tokoa any Tonizia amin'izao fotoana izao.

Tsy mifidy karazam-bohikala asiana intsony ny Sampan-draharahan'ny Aterineto Toniziana (ATI).

Saiky nandray anjara tamin'ity fanentanana naoty fotsy ity avokoa ny ankamaroan'ny mpamaham-bolongana Toniziana tahaka an'i Ounormal [2] [ar], Metallistication [3] [ar] izay tsy namoaka afa-tsy ny sary famantaran'ny hetsika Naoty fotsy misy soratra manao hoe Ho amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny famahanam-bolongana, tahaka izay nataon'i Chiheb [4].

Fa ny mpamaham-bolongana Patriote Tunisien [ar] kosa nisafidy hanome Naoty mainty ho an'ny bolongana Toniziana [5].

Lina Ben Mhenni [6]