- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rwanda: Video-an'ireo mpirotsaka an-tsitrapo

Sokajy: Afrika Mainty, Rwanda, Mozika, Mpitsoa-ponenana, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

Ny mandehandeha sy mandrakitra anaty video ny zavatra iainantsika dia fomba iray ahafahana mizara izany amin'izao tontolo izao. Ity manaraka ity,  misy video mitohitohy napetrak'i kdarpa ao amin'ny YouTube [1], izay manasongadina ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy ireo olona nihaona tamin'izy ireo nandritra ny fandalovan'izy ireo tany Rwanda sy niarahan'izy ireo niasa tamin'ny mponina tao an-toerana.

Ao anatin'ireo video navoakany vao haingana ity iray ity [2] izay mampiseho ny fampisehoana farany amin'ny teatra natolotr'ireo mpianatra ao amin'ny Bethel School of Supernatural Ministry ho an'ireo sisa velona tamin'ny vonomoka:

Nahazo atrik'asa  mikasika ny mozika ihany koa ireo fikambanan'ny tanora sy olon-dehibe, ka ity misy sombiny amin'izany:

Nisy fikarakarana atrik'asa momba ny dihy ihany koa, ary  ity ny fampisehoana farany nataon'izy ireo [3]:

Ireo mpikambana ao amin'ny atrik'asa momba  ny fanoratana koa dia nandihy ho  fankalazana [4] tamin'ny fotoam-pamaranana ny atrik'asan'izy ireo: