Rwanda: Video-an'ireo mpirotsaka an-tsitrapo

Ny mandehandeha sy mandrakitra anaty video ny zavatra iainantsika dia fomba iray ahafahana mizara izany amin'izao tontolo izao. Ity manaraka ity,  misy video mitohitohy napetrak'i kdarpa ao amin'ny YouTube, izay manasongadina ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy ireo olona nihaona tamin'izy ireo nandritra ny fandalovan'izy ireo tany Rwanda sy niarahan'izy ireo niasa tamin'ny mponina tao an-toerana.

Ao anatin'ireo video navoakany vao haingana ity iray ity izay mampiseho ny fampisehoana farany amin'ny teatra natolotr'ireo mpianatra ao amin'ny Bethel School of Supernatural Ministry ho an'ireo sisa velona tamin'ny vonomoka:

Nahazo atrik'asa  mikasika ny mozika ihany koa ireo fikambanan'ny tanora sy olon-dehibe, ka ity misy sombiny amin'izany:

Nisy fikarakarana atrik'asa momba ny dihy ihany koa, ary  ity ny fampisehoana farany nataon'izy ireo:

Ireo mpikambana ao amin'ny atrik'asa momba  ny fanoratana koa dia nandihy ho  fankalazana tamin'ny fotoam-pamaranana ny atrik'asan'izy ireo:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.