- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Manohana ilay mpianatra voafonja ireo lehilahy any Hijab

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Politika, Zon'olombelona
Lehilahy Iraniana anjatony no nitafy akanjom-behivavy tany Hijab mba hanohanana an'i Majid Tavakoli [1], mpianatra mafana fo nosamborina tamin'ny 7 Desambra, ary nampiseho ny firaisankinan'izy ireo amin'ireo vehivavy. Ireo manampahefana dia nilaza [2] fa nanao fitafim-behivavy i Mr. Tavakoli mba handosirany ny manampahefana taorian'ny fanambarany tany Teheran tamin'ny andron'ny mpianatra [3].
Na eo aza izany, ireo mafana fo mpiaro ny zon'olombelona any Iran dia namoaka [2] filazana fijorona vavolombelona ary milaza: “Ireo sary rehetra navoakan'ny media-m-panjakana dia sary namboarina daholo ary mampibaribary ny fampiasan'izy ireo hevitra ratsy anoherana ireo mpianatra sy ireo mafana fo any Iran.”
Lehilahy Iraniana anjatony amin'izao no manao fitafim-behivavy ao amin'ny filazalazana ny momba ny tena ao amin'ny FaceBook-n'izy ireo. Ity misy video YouTube manohana an'i Majid izay ahitàna ny sary sasantsasany (manomboka eo amin'ny 42 segondra eo).